Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 19 July 2024

Vakio ny IFM, toko 28: "Levy Matio", sy ny toko 29: "Ny Sabata".
"Rehefa nanontaniana Jesoôsy hoe: 'Mety ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata? dia novaliany hoe: 'Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata' - Mat. 12:10-12.

Tsy sahy namaly an'i Kristy teo anatrehan'ny vahoaka marobe ny mpitsikilo noho ny fahatahorany ho tafiditra ao amin'ny zava-tsarotra. Fantany fa nilaza ny marina Izy Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofiny, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an'ny tompony ny fanaovana an-tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an'ny olona natao araka ny endrik'Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan'ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian'ny olona hanandratra ny tenany ho ambonin'Andriamanitra no niavian'ireny ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin'ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an'Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin'ny famoronana, ary haverina aminy indray amin'ny alalan'i Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombambidiny ambony eo amin'ny olombelona ny Filazantsara, amin'izy novidin'ny ran'i Kristy, ary mampianatra ny hijeny amim-pitiavana izay ilain'ny olona sy izay mampahory azy. Hoy Jehovah: 'Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza." - IFM, t. 297.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Inona ireo paikady na fanao tsotra manampy anao sy ny fiangonana misy anao hitsinjo mandrakariva ireny olona miari-pijaliana mangina ireny, tahaka ilay mararin'ny paralysisa ao amin'ny Mar. 2?

2. Saintsaino hoe: nohajambain'ny fankahalana, ny lovan-tsofina, ny foto-pampianarana, ny fombam-pivavahana ankapobeny ireo mpitondro fivavahana izay nandà an'i Jesôsy, hany ka na ny fahagagana nataon'i Jesōsy aza dia tsy nahasokatra ny sain'izy ireo hanaiky Azy. Amin'ny maha- vahoakan'Andriamanitra antsika, ahoana no hitandremantsika mba tsy hahavoa antsika koa ny toy izany?

3. Ahoana no hahatonga ny fiangonana misy anao ho "ankohonana" ho an'ireo izay mety ho narian'ny fianakaviany ara-nofo noho ny finoany?

4. Diniho lalindalina kokoa ny amin'ilay "heloka tsy azo avela". Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny hevitr'izany sy ny hoe: ahoana no hahazoantsike antoka fa tsy mbola nahavita izany isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARAMONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal