Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FINOANA, NA INON-KIDONA NA INON-KITRANGA

Daty
Sabotsy 27 April 2024

Hodinihina mandritry ny herinandro: Sal. 119:162; Jao. 16:13-15; 2 Pet. 1:20,21; Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:15-18.
 

Tsianjery: "Ato am-poko no iraketako ny teninao, mba tsy hanotako aminao." —Sal. 119:11.

 

Nisy zavatra nilain'ny taonjato faha-21 fatratra tao amin'ireo mpanavao fivavahana protestanta, dia tanjona ho an'ny fiainany. Miresaka ny amin'ireo olona miaina tsy misy tanjona ilay psikology amerikanina malaza Philip Cushman, ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe "The Empty Self". Ivelambelany ny finoan'izy ireo. Tsy ahoan'izy ireo loatra ny zava-manan-danja marina, ary tsy misy na inona na inona hitany ho mendrika ny hamoizany ny ainy, noho izany dia zara raha manana antony ahavelomana koa izy ireo.

Samihafa tanteraka amin'izany anefa ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizin'ny Fanavaozana ara-pivavahana protestanta. Nanana tanjona maharitra mendrika ho antom-piainany. Nanan-danja lehibe ny zavatra ninoan'izy ireo ary tsy nekeny velively ny hanao marimaritra iraisana handotoana ny fahamarinana. Tsy azo nosarahina taminy ny finoana niorenany. Ny fandavany izany finoana izany dia fandavana ny maha-izy azy ireo mihitsy. Nanana fiadanana anaty izy ireo na dia nanoloana ny fahafatesana aza.

Hodinihintsika ao amin'ny lesona amin'ity herinandro ity, miaraka amin'ny ohatra nalaina avy amin'ny Fanavaozana ara-pivavahana, ny amin'ny fampianaran'ny Soratra Masina izay manova fiainana, sy fototra iorenan'ny tanjona marina sy ny tena hevitry ny fiainana. Hanomana antsika ho amin'ny fotoan-tsarotra farany ao amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy ny fahatakarana ireo fahamarinana mandrakizay ireo. Tsy mbola tapitra ny ady izay natombok'ireo mpanavao fivavahana ary nantsoina isika handray ny faneva eo amin'izay nampitany izany tamintsika. Afaka mahita an'Andriamanitra sy ny fahalehibiazany koa isika, izay ampy hiatrehantsika ny zava-tsarotra rehetra, Andriamanitra Izay mampisy heviny sy tanjona ho an'ny fiainantsika, ary tsy misy na inona na inona eto an-tany mahavita izany amin'ny fiainantsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal