Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HO AMIN'IZAO ANDRO IZAO MIHITSY

Daty
Alarobia 20 December 2023

Vakio ny Est. 4:1-14. Nahoana no noheverina ho fotoana mety hilazan'i Estera ny maha Jiosy izy lo fotoana io?-

Efa vadin'i Ahasoerosy nandritra ny taona maro i Estera tamin'ny fotona nangatahan'i Mordekay fanampiana taminy, saingy ny lalàna persianina dia mandrara na iza na iza tsy hanatona ny seza fiandrianan'ny mpanjaka raha tsy nahazo fanasana mazava avy taminy. Fahafatesana no niandry ny olona rehetra izay tsy nanaja izany fitsipika izany. Fantatr'i Estera tsara izay mety hanjo azy saingy nankao amin'ny efitrano misy ny seza flandrianan'ny mpanjaka ihany izy na dia tsy nahazo fanasana aza.

Nitady izay hamohazana ny finoan'i Estera tamin'ny finoany i Môrdekay. Ao amin'ireo teny nataon'i Môrdekay tamin'i Estera no ivon'ny bokin'i Estera, manao hoe: "Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho my Jiosy rehetra hianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka: fa raha hangina mihitsy hianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa hianao sy ny mpianakavin- drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?" - Est. 4:13, 14.

Nozahan-toetra ny finoan'i Estera rehefa nofobazin'i Mordekay tao am-pony ny fitiavany ny vahoakany. Tsy nisy olona nahalala fa Jiosy izy afa-tsy i Môrdekay, ary rehefa nanapa-kevitra ny hiditra an-tsehatra izy dia tsy nisalasala ny hanao vivery ny ainy.

Natanjaka ny finoany an'Andriamanitra ary fantany fa raha tsy misy ny fanampian' Andriamanitra dia tsy hahomby izy. Fanehoana ny finoany ny valinteniny tamin'i Mordekay: "Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin 'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka na dia tsy araka ny lalana aza; koa raha tahiny maty aho dia maty."- Est. 4:16. Nandefa izany fampahafantarana izany tamin'ny fiarahamonina jiosy manontolo tao Sosana i Môrdekay ary nandritra ny fotoana nifadian'izy ireo hanina sy nivavahany no niomana ho amin'ilay fotoana mampidi-doza i Estera. "Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia niankanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, Ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin 'ny vavahadin'ny trano. Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro Estera, vadin'ny mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy: ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina."- Est. 5:1, 2.

Nampiarahin'ny Jiosy tamin'ny fifadian-kanina ny fivavahana, teo anatrehan'ny toe-javatra tahaka izay voalaza eo ambony. Izany hoe, na dia nanao zavatra ho an'ny tenany aza izy Ireo dia ny vavaka no ivon'ny valiny nasetriny ny toe-javatra, Inona ny lesona mazava azontsika raisina avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal