Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I JESOSY, ILAY MPISOLOVAVA ANTSIKA EO AMIN'NY FITSARANA

Daty
Alakamisy 23 May 2024

Vakio ny Heb. 10:9-14. Inona ny fahasamihafana ambaran'io andininy io eo amin'ny asan'ny mpisorona tao amin’ny Fitoerana Masina teto an-tany sy ny asan'i Jesôsy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra?

Indray mandeha ihany no nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana amin'ny maha-fanatitra tsy misy kilema Azy, izay atolotra noho ny ota. Ny asa fisoronana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra no manamasina antsika. Ary satria niditra tao amin'ny efitra masina indrindra Izy ankehitriny dia mijoro ho mpisolovava antsika eo amin'ny fitsarana (jereo ny 1 Jao. 2:1). "Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena"- Heb. 9:28. Noho ny sorona sy ny fanelanelanana nataony no namahana ny olan'ny fahotana. Tonga Izy ankehitriny ho an'ireo izay "tia ny fisehoany"(2 Tim. 4:8).

Vakio ny Heb. 6:19,20. Nahoana Izy no manasa antsika hanaraka Azy ary inona no hitantsika rehefa manaraka Azy?

"Zava-dehibe eo amin'ny drafitry ny fanavotana tahaka ny nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana ny fifonana ataony ho an'ny olombelona any amin'ny fitoerana masina any ambony. Tamin'ny fahafatesany no nanombohany ny asany ary taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty dia niakatra tany an-danitra Izy mba hanatontosa izany an-tsakany sy an-davany. Tsy maintsy miditra ao amin'ny efitra lamba amin'ny alalan'ny finoana isika, `tany no nidiran'i Jesôsy ho Mpialoha antsika.' Mitaratra ao ny fahazavan'ny hazo fijalian'i Kalvary. Ao no mety ahazoantsika fahalalana mazava kokoa ny amin'ireo zava-miafin'ny fanavotana. Lafo vidy dia lafo vidy tamin'ny lanitra ny nanatanterahana ny famonjena ny olona; mifanandrify amin'ny fitakiana lehibe indrindra ataon'ny lalàn’Andriamanitra voadika ny sorona natolotra. Nanokatra ny lalana mankeo amin'ny seza fiandrianan'ny Ray i Jesôsy, ary amin'ny alalan'ny fanalalanana ataony dia azo entina eo anatrehan'Andriamanitra ny faniriana marina avy amin'izay rehetra manatona Azy amin'ny finoana."- HM, t. 505.

Ny drafi-pamonjena dia drafitra feno hoentina mamaha ilay fifanandrinana lehibe sy hamonjena ity planeta ity amin'ny fifehezan'i Satana. Ny fiainan'i Jesôsy dia naneho ny fitiavan'Andriamanitra ny tontolo iray mila fanampiana sy ny tontolo iray hafa izay manara-maso izany. Maneho ny maha-ratsy ny fahotana ny fahafatesany ary koa mitondra famonjena ho an'ny olombelona rehetra. Manolotra ireo tombontsoan'ny fanavotana amin'izay rehetra manolo-tanana am-pinoana handray izany ny fanelanelanana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra.

Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny fanelanelanana ataony ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra, ary nahoana no ilaina tokoa ho an'ny drafi-pamonjena ny fitsarana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal