Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay fanoharana momba ny voalobok'i Jehôvah

Daty
Alarobia 06 March 2024

Vakio ny Sal. 80. Ahoana no anoritşoritana ny vahoakan' Andriamanitra ao amin'io Salamo io? Inona ilay fanantenana lehibe andrandrain'izy ireo?

Oharina amin'ny voaloboka nongotan'Andriamanitra avy any Egipta, tany nahandevozana, ny Isiraely, izay nafindran'Andriamanitra ho amin'ny Tany Nampanantenaina mamokatra be. Maneho ny nifidianan'Andriamanitra ny Isiraely sy ny fiahiany azy ilay sary an'ohatra momba ny voaloboka (vakio koa ny Gen. 49:11,12,22; Deo. 7:7-11).

Kanefa ao amin'ny Sal. 80 dia iharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ilay voaloboka (Sal. 80:12). Ambaran'ny mpaminany fa maneho ny fitsaran'Andriamanitra ny faharavan'ilay voaloboka satria nanjary voalobo-dratsy ilay izy (Isa. 5:1-7; Jer. 2:21).

Kanefa tsy ny anton'ny fitsaran'Andriamanitra no iompanan'ny Sal. 80. Eo anatrehan'ny halehiben'ny fahasoavan'Andriamanitra dia very hevitra ilay mpanao Salamo ny amin'ny hoe: ahoana no hahavitan'Andriamanitra mandao ny olony maharitra ela toy izao? Matahotra ilay mpanao Salamo eo anelanelan'ny fifandroritan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fitsarany etsy andaniny, ary ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny famelany heloka etsy ankilany, andrao ny fahatezerany no mahazo laka ka ho fongana tanteraka ny vahoaka (Sal. 80:16).

Vakio ny Nom. 6:22-27. Ahoana no ampiasan'ny Sal. 80 lo tso-drano io?

Mampahatsiahy ny toky nomen'i Arona ny ambentin-teny ao amin'ilay Salamo, fa hitahy ny vahoakany mandrakariva Andriamanitra (Nom. 6:22-27), ary asongadina ao ny fanantenana fa handresy ny fahoriana manjo ny vahoaka ny fahasoavan'Andriamanitra: "Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay." (Sal. 80:3; jereo koa ny Sal. 80:7,19).

Ny teny hebreo nadika hoe "ampodio" dia avy amin'ny teny efa fampiasa midika hoe "avereno". Miverimberina ao amin'ny Baiboly izany, rehefa miantso ny olony maniasia mba hiverina Aminy Andriamanitra.

Mifamatotra akaiky amin'ny hoe fibebahana ny teny hoe "ampodio", izay fialana amin'ny ota sy fiverenana amin'Andriamanitra. "Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy." - Jer. 24:7.

Ahoana no efa nahatsapanao teo amin'ny fiainanao manokana fa fiverenana amin'Andriamanitra ny fibebahana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal