Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jehôvah no nanao antsika

Daty
Alahady 14 January 2024

Vakio ny Sal. 8 sy Sal. 100. Ahoana no anehoana an' Andriamanitra sy ny olona ao amin'ireo Salamo ireo? Inona no ambaran'ireo Salamo ireo mikasika ny toetran'Andriamanitra?

Mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny Salamo ny Famoronana, eo amin'ny fanambarana ny fiandrianan'Andriamanitra. Ny lanitra, izay "asan'ny tànany" dia mitory ny voninahiny sy ny heriny (Sal. 19:1-4; Sal. 97:6). Manana voninahitra manerana ny tany rehetra ny anaran'Andriamanitra (Sal. 8:1,9). Jehovah no namorona ny zavatra rehetra; tsy manana fiandohana Izy (Sal. 93:2) ary tsy manam-piafarana (Sal. 102:25-27). Mandrakizay Izy ary ambonin'ny andriamanitry ny firenena rehetra izay "asan'ny tanan'olona" ihany (Sal. 115:4). Ny sampy dia "manan-tanana (...) fa tsy mandray" - Sal. 115:7; fa i Jehovah kosa dia "eo an-tànany ny fitoerana lalina amin'ny tany (...) ary ny tany maina dia noforonin'ny tànany." - Sal. 95:4,5.

Salamo marobe no maneho ny herin'Andriamanitra ambonin'ireo hery rehetra eo amin'ny zavaboary izay inoan'ny firenena hafa ho andriamanitra (ohatra amin'izany ny Sal. 29; 93; 104). Hamafisin'ireo Salamo ireo ny fanambarana fa Andriamanitra no manjaka amin'ny zavaboary rehetra, ary ambony indrindra amin'ny hery sy ny haja. Miresaka ny amin'ny endri-panompoan-tsampy iray izay tsy miharihary ny Sal. 100:3: ny fitokiana amin'ny tena; asongadiny amin'izany fa Jehovah no "nanao antsika, fa tsy ny tenantsika" (DIEM).

Mijoro ho vavolombelon'ny fitiavan'Andriamanitra koa ny Famoronana. Izy no nahary ny zavatra rehetra izay misy, ary izy koa no manome aina ireny (Sal. 95:7; Sal. 147:4-9). Mariho fa tsy nahary ny olona fotsiny Andriamanitra fa nataony "olony sy ondry fiandriny" ny Isiraely fahiny (Sal. 100:3). Maneho ny fanirian'Andriamanitra hanana fifandraisana ety amin'ny vahoakany ny hoe "olony" sy "ondry fiandriny".

Ny Mpamorona irery ihany no manana ny fahefana hitahy sy hampitombo ny vahoakany, ary amin'izany dia Izy irery ihany no mendrika ny hiankohofan'izy ireo sy hitokiany. Salamo marobe no miantso izay manam-pofonaina rehetra, ny tany manontolo, ny ranomasina ary ny zavatra rehetra ao aminy hanao hiakam- pifaliana eo anatrehan'i Jehovah.

Hita eo amin'ny zavatra nohariany ny voninahitr'Andriamanitra, na dia eo amin'ny zavaboary lavo eto an-tany aza; ary ny Salamo dia milaza amintsika fa Andriamanitra irery ihany no mendrika hiankohofana.

"Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?"- Sal. 8:4. Inona no asetrinao an'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona anao Azy? Raha tononin'Andriamanitra amin'ny anarany avy ny kintana (Sal. 147:4), manao ahoana moa ny haben'ny fiheverany anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal