Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

KARAZANA MESIA HAFA

Daty
Alakamisy 01 August 2024

Vakio ny Mar. 6:34-52. Inona ny olana natrehin'i Jesôsy sy ny mpianany teto, ary ahoana no namahana izany?

Rehefa niverina avy nanao asa misiônera ny mpianatra dia nandeha niaraka tamin'i Jesôsy nitokana tany an-tany foana, teo amin'ny morony atsinanan'ny Ranomasin'i Galilia, mba hiala sasatra. Saingy vahoaka betsaka, nisy 5000 lahy teo, no efa tonga talohany teo amin'ilay toerana. Toy ny ondry tsy misy mpiahy no fahitan'i Jesôsy azy ireo. Dia nampianatra azy ireo nandritra ny tontolo andro Izy.

Nony hariva dia nanolo-kevitra ny mpianatra handravana ny olona mba hitadiavany izay ho sakafony avy, saingy nasain'i Jesôsy nomen'izy ireo hanina ny vahoaka. Ny resaka nifanaovan'izy ireo manaraka (Mar. 6:35-38) dia maneho fa tamin'ny fisainana maha-olombelona no niezahan'ny mpianatra namahana ny olana. Novahan'i Jesôsy tamin'ny fomba mahagaga anefa izany, ka mofo dimy sy hazandrano roa no namahanany ilay vahoaka betsaka.

Nampahazo vahana ny fandraisan'ny maro ny atao hoe Mesia tamin'ny andron'i Jesôsy ny fisehon'ity tantara ity. Nantenain'ny vahoaka fa ny Mesia no hanafaka azy amin'ny fahavalony ka hitondra ny fahamarinana sy ny fiadanana. Ny ankamaroan'ireo olona nipetraka teo an-tany foana ireo dia vonona hikomy sy hampiasa hery mihitsy ho fanatanterahana izany (ampitahao amin'ny Jao. 6:14,15; Asa. 21:38).

Manamafy izany ny filazana fa "tahaka ny ondry tsy manana mpiandry" no fahitan'i Jesôsy ireo vahoaka ireo, izay ampahan-teny avy ao amin'ny Nom. 27:17, rehefa nangataka tamin'Andriamanitra i Mosesy mba hanendry izay handimby azy hitarika ny Isiraely. Hita any amin'ny andininy maro hafa ao amin'ny TT io fiteny io mba hilazana ny tsy fananan'ny Isiraely mpitarika na mpanjaka (ampitahao amin'ny 1 Mpanj. 22:17; 2 Tant. 18:16; Ezek. 34:5,6).

Kanefa tsy araka izay nantenainy i Jesôsy, fa nirahiny ho any an-toeran-kafa ny mpianatra ary noravany ny vahoaka. Nantenaina hitarika ny fikomiana amin'i Rôma Izy, kanjo inona no nataony? Lasa nankany an-tendrombohitra Izy hivavaka.

Tsy Ilay Mesia mpanjaka sy mpanafaka ny Isiraely araka ny nieritreretan'ny vahoaka Azy Izy, fa tonga hanafaka azy ireo amin'ny fanandevozan'ny ota kosa. Rehefa nitsangantsangana tambonin'ny rano i Jesôsy dia nasehony tamin'izany fa Izy no Tom
pon'ny zavaboary. Kanefa tsy tonga mba hotompoina amin'ny maha-mpanapaka Izy fa mba hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro (Mar. 10:45).

Nahoana no zava-dehibe ny fahatakarantsika ny faminaniana araka ny tokony ho izy; raha ny asehon'io tantara io? Raha nitondra Ioza ho an'ny sasany ny fandraisana diso ny fiavian'i Jesôsy voalohany, hanao ahoana ny Ioza vokatry ny fahatakarana diso ny Jesôsy fanindroany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal