Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 04 July 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio ny "Mosesy", PM, ed. 1885, tt. 239-248, izay hitondra fanazavana manan-danja eo am-pandinihanao ny ampahan-tSoratra Masina amin'ity herinandro ity.

Izao no voalazan'ny Baiboly: "Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka tsy nanao araka izay nolazain'ny mpanjakan'i Egypta taminy, fa novelominy ihany ny zazalahy." - Eks. 1:17. Manazava tsara ny fahatokian'ireo mpampivelona ireo, sy ny fanantenana momba ny Mesia, i Ellen G. White. "Nomena baiko ny mpampivelona Hebreo mba hamono ny zazalahy teraka rehetra. Tsy iza no nanome izany baiko feno habibiana izany, fa Satana izay nahafantatra ny fampanantenana ny hiavian'ny Mpanafaka ka nihevitra ny hanafoana ny planan'Andriamanitra. Nefa natahotra an'Andriamanitra ny mpampivelona ka nandà tsy hanatanteraka izany didy tsy mifaditrovana izany, dia nasian'Andriamanitra soa ireo mpampivelona sady nambininy." - PM, ed. 1985, t. 240.

Izao no vaovao mahafaly amin'izany rehetra izany: na eo aza ny drafitr'i Satana dia nandresy Andriamanitra, ary nampiasa olona mahatoky Izy mba hampandamoka ny planin'ny fahavalo. Ao anatin'ny faritanin'ny fahavalo no misy antsika, izay nantsoin'i Jesosy hoe "mpanapaka" na "andrianan'izao tontolo izao" (Efes. 2:2; Jao. 14:30). Nalain'i Satana an-keriny tamin'i Adama io toerana io, saingy nandresy azy i Jesôsy Kristy tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 4:1-11, Jao. 19:30, Heb. 2:14). Na mbola velona sy miasa aza i Satana, araka ny asehon'ny fikasany hamono ireo zaza ireo, dia efa azo antoka kosa ny fandringanana azy (Jao. 12:31; Jao. 16:11; Apôk. 20:9,10,14). Azo resena amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra ireo zava-tsarotra eo amin'ny fiainana (Fil. 4:13); izany no vaovao mahafaly. lo fahasoavana io no hany fanantenantsika.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nahoana no navelan'Andriamanitra honina tany Egypta sy hampahorina ny Hebreo? Nahoana no niandry ela Andriamanitra vao niditra an-tsehatra ho azy ireo? Tsarovy koa anefa fa tsy nijaly mihoatra ny halavan'ny androm-piainany ny olona tsirairay, izany hoe, marina fa nijaly nandritra ny fotoana maharitra ny firenena, fa ny olona tsirairay kosa dia tsy nizaka afa-tsy izay fahoriana natrehiny teo amin'ny fiainany manokana ihany. Nahoana no zava-dehibe ny fanaovana izany fanavahana izany mba hahatakarana ny momba ny fahorian'ny olombelona ankapobeny?

2. Saintsaino misimisy kokoa ny mikasika ny fomba nahafahan' Andriamanitra nampiasa ny fihetsika feno herisetra nataon'i Mosesy tamin'ny namonoany ilay Egyptianina. Andeha hatao hoe tsy nanao izany izy; midika ve izany fa tsy ho tafavoaka ny tany Egypta mihitsy ny Hebreo noho izany? Hazavao ny hevitrao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal