Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.

Daty
Alarobia 02 July 2025

TERAKA I MOSESY

Vakio ny Eks. 2:1-10. Inona no anjara asan'ny fitantanan'Andriamanitra sy ny fiarovany teo amin'ny tantaran'ny nahaterahan'i Mosesy?

Tena mahaliana ny tantara momba ny nahaterahan'i Mosesy sy ny fiainany satria niaina tamin'ny andron'ny tarana-mpanjaka Egyptianina faha-18 malaza izy. I Thutmose III, izay antsoina hoe "Napoléon an'i Egypta", no anisan'ny Farao nalaza indrindra tany Egypta fahiny.

Na efa voatendry ho faty teo am-pahaterahana aza i Mosesy (jereo ny Eks. 1:22), dia teraka ho toy ny zanaka manokana izy (tob amin'ny teny hebreo, izay midika hoe "tsara"; Eks. 2:2). Tsy hatsaran-tarehy ivelany fotsiny no tondroin'io teny hebreo io. Ampiasaina io teny io, ohatra, mba hilazana ny asan'Andriamanitra nandritra ny herinandron'ny Famoronana, izay nanambarany fa "tsara" izay rehetra nataony, eny "tsara indrindra" aza (Gen. 1:4,10,31).

Io zaza "tsara" io, izay vao noforonin'Andriamanitra, no ho tonga olon-dehibe ary hitarika ny vahoaka Hebreo hiala amin'ny fanandevozana azy, araka ny drafitr Andriamanitra. Iza no nanampo ny hoavin'ity zazakely ity, indrindra tao anatin'ny toe-java-tsarotra toy izany? Kanefa hotanterahin'Andriamanitra ny teny nataony tamin'i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. Nanao fanekena tamin'izy ireo Izy fa homeny ny taranany ny Tany Nampanantenaina (Eks. 2:24,25). Ary ity zazakely tob ity no nampiasainy, am-polony taona maro taty aoriana, mba hanatanteraka izany.

Tao anatin'izany no nananganan'i Hatshepsut, andriambavy Egyptianina, an'i Mosesy ho zanany. Ny anarana hoe Mosesy dia avy amin'ny teny Egyptianina midika hoe "zanak'i" na "terak'i", toy ny hita amin'ny anarana hoe Ah-mose ("zanak'i Akh") na Thut-mose ("zanak'i Thoth"). Ny anarany amin'ny teny hebreo kosa dia Mosheh, izay midika hoe "nalaina tamin'ny". Voavonjy tamin'ny fomba mahagaga ny ainy rehefa "nalaina" tao amin'ny renirano izy.

Vitsy ihany no fantatsika momba ny fiainany nandritra ny fahazazany. Taorian'ny namonjena azy tamin'ny fomba mahagaga sy ny nananganan'i Hatshepsut azy ho zanany, dia niara-nonina tamin'ny tena fianakaviany i Mosesy nandritra ireo 12 taona voalohany niainany. Avy eo, nahazo ny fanabeazana egyptianina tsara indrindra i Mosesy, mba hanomanana azy ho tonga Faraon'i Egypta manaraka (Eks. 2:7-9; PM, ed. 1985, tt. 242,243). Mahavariana fa tsy nisy nilana azy ny ankamaroan'io fanabeazana io raha ny marina, ary nifanohitra tamin'izay tena zava-dehibe aza, dia ny fahalalana an'Andriamanitra sy ny fahamarinany.

Inona avy ireo zavatra efa nianaranao, izay toa tsy nisy nilana azy na nanan-danja akory raha ny marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal