Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Arabakiteny sa arakeviny ?

Daty
Alakamisy 03 April 2025

Teboka iray manan-danja tokony hataon'ireo izay mandinika ny faminaniana ny famaritana raha toa horaisina ara-bakiteny na ara-keviny ny fomba fiteny ampiasain'ny Baiboly. Ahoana no hamaritana raha toa mamplasa fanoharana ny mpanoratra, ary ahoana no hahalalana ny zavatra tondroin'izany tandindona izany? Tahaka izao ny fomba manan-danja indrindra hanaovana izany: jerena ny fomba nampiasana ilay tandindona manerana ny Baiboly; mifanohitra amin'ny fijerena ny fampiasana ny tandindona iray amin'izao vanim-potoana ankehitriny izao izany. Ohatra, misy olona mahita fa manondro an'i Russie ny sarin'ny bera ao amin'ny Dan. 7 satria matetika io sary io no ampiasaina ankehitriny hoenti-maneho an'i Russie. Tsy fomba azo antoka hanazavana ireo sary an'ohatra ampiasain'ny Baiboly izany.

Diniho ireto toko sy andininy manaraka ireto, ary aoka ny Baiboly ihany no hanazava ny teny ao aminy. Inona ny sary an'ohatra iraisan'ireo toko sy andininy ireo araka ny lohaheviny avy, ary inona no voalazan'ny Baiboly fa tondroin'izany?

Dan. 7:7; Dan. 8:3; Dan. 7:24
………………………………………………………………………….………………………………………
Apôk. 1:16; Efes. 6:17; Heb. 4:12
………………………………………………………………………….………………………………………
Apôk. 12:1; Apôk. 21:2; Efes. 5:31,32; Jer. 6:2
………………………………………………………………………….………………………………………

Rehefa arahina ny fitsipika tsotra, izay mamela ny Baiboly hamaritra ny teny ampiasainy, dia saika tsy misy zava-miafina intsony ao ambadiky ny tandindona ara-paminaniana. Hitantsika, ohatra, fa fahefana ara-pôlitika na firenena iray no tondroin'ny tandroka iray. Maneho ny Tenin'Andriamanitra ny sabatra; ary ny vehivavy dia maneho ny fiangonana. Hitantsika mazava amin'izay fa manazava ny tenany tokoa ny Baiboly.

Misy fanontaniana tokony mbola hovaliana anefa: nahoana Andriamanitra no miteny amin'ny alalan'ny tandindona fa tsy mivantana? Nahoana, ohatra, no tondroin'i Petera amin'ny fomba miafinafina amin'ny hoe "Babylona" ny tananan'i Rôma, ao amin'ny 1 Pet. 5:13?

Mety ho maro ny antony nahatonga an'Andriamanitra nifidy ny hampita hafatra amin'ny alalan'ny tandindona ao amin'ny faminaniana. Raha mahakasika ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao, ohatra, raha notondroin'ny Apôkalipsy mazava ho tompon'andraikitry ny faharatsiana maro i Rôma dia azo heverina fa ratsy kokoa noho izay nitranga ny fanenjehana nihatra tamin'ny fiangonana. Na inona na inona anton'izany, dia mahazo matoky isika fa irin'Andriamanitra ny hahatakarantsika ny hevitr'ireny tandindona ireny.

Na dia mitoetra ho zava-miafina aza ny sasany amin'ireo tandindona sy faminaniana, ahoana no mahatonga ny fifantohantsika amin'izay takatsika hanamafy orina ny finoantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal