Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Arabakiteny sa arakeviny ?

Daty
Alakamisy 03 April 2025

Teboka iray manan-danja tokony hataon'ireo izay mandinika ny faminaniana ny famaritana raha toa horaisina ara-bakiteny na ara-keviny ny fomba fiteny ampiasain'ny Baiboly. Ahoana no hamaritana raha toa mamplasa fanoharana ny mpanoratra, ary ahoana no hahalalana ny zavatra tondroin'izany tandindona izany? Tahaka izao ny fomba manan-danja indrindra hanaovana izany: jerena ny fomba nampiasana ilay tandindona manerana ny Baiboly; mifanohitra amin'ny fijerena ny fampiasana ny tandindona iray amin'izao vanim-potoana ankehitriny izao izany. Ohatra, misy olona mahita fa manondro an'i Russie ny sarin'ny bera ao amin'ny Dan. 7 satria matetika io sary io no ampiasaina ankehitriny hoenti-maneho an'i Russie. Tsy fomba azo antoka hanazavana ireo sary an'ohatra ampiasain'ny Baiboly izany.

Diniho ireto toko sy andininy manaraka ireto, ary aoka ny Baiboly ihany no hanazava ny teny ao aminy. Inona ny sary an'ohatra iraisan'ireo toko sy andininy ireo araka ny lohaheviny avy, ary inona no voalazan'ny Baiboly fa tondroin'izany?

Dan. 7:7; Dan. 8:3; Dan. 7:24
………………………………………………………………………….………………………………………
Apôk. 1:16; Efes. 6:17; Heb. 4:12
………………………………………………………………………….………………………………………
Apôk. 12:1; Apôk. 21:2; Efes. 5:31,32; Jer. 6:2
………………………………………………………………………….………………………………………

Rehefa arahina ny fitsipika tsotra, izay mamela ny Baiboly hamaritra ny teny ampiasainy, dia saika tsy misy zava-miafina intsony ao ambadiky ny tandindona ara-paminaniana. Hitantsika, ohatra, fa fahefana ara-pôlitika na firenena iray no tondroin'ny tandroka iray. Maneho ny Tenin'Andriamanitra ny sabatra; ary ny vehivavy dia maneho ny fiangonana. Hitantsika mazava amin'izay fa manazava ny tenany tokoa ny Baiboly.

Misy fanontaniana tokony mbola hovaliana anefa: nahoana Andriamanitra no miteny amin'ny alalan'ny tandindona fa tsy mivantana? Nahoana, ohatra, no tondroin'i Petera amin'ny fomba miafinafina amin'ny hoe "Babylona" ny tananan'i Rôma, ao amin'ny 1 Pet. 5:13?

Mety ho maro ny antony nahatonga an'Andriamanitra nifidy ny hampita hafatra amin'ny alalan'ny tandindona ao amin'ny faminaniana. Raha mahakasika ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao, ohatra, raha notondroin'ny Apôkalipsy mazava ho tompon'andraikitry ny faharatsiana maro i Rôma dia azo heverina fa ratsy kokoa noho izay nitranga ny fanenjehana nihatra tamin'ny fiangonana. Na inona na inona anton'izany, dia mahazo matoky isika fa irin'Andriamanitra ny hahatakarantsika ny hevitr'ireny tandindona ireny.

Na dia mitoetra ho zava-miafina aza ny sasany amin'ireo tandindona sy faminaniana, ahoana no mahatonga ny fifantohantsika amin'izay takatsika hanamafy orina ny finoantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal