Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 29 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jer. 29:23,24; Sal. 139:1-6; Dan. 12:4; Apôk. 22:10; 2 Tim. 3:15-17; Heb. 4:12.

Tsianjery: "Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehôvah , Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehôvah ." - Jer. 9:23

Tsy mitovy hevitra ny Kristianina momba ny faminaniana, toy izany koa mahakasika ny ankamaroan'ireo lohahevitra hafa ao amin'ny Soratra Masina. Matetika izany no mitondra faharesen-dahatra izay mahatonga ny hafa hihevitra fa fandaniam-potoana ny faminaniana ara-Baiboly. Ahoana tokoa moa no itokiana ny fahamarinan'ny faminaniana raha toa mampiady hevitra ny Kristianina ny tsipiriany madinika rehetra momba izany? Indrisy fa marobe ny mpino manomboka mihevitra koa fa tsy mety ho takatry ny saina ny boky sasany ao amin'ny Baiboly, toy ny Apokalipsy. Tsy mamaky ireny boky ireny izy ireo fa mandositra izany; ary indraindray aza izany dia vokatry ny fandrisihana amim-pitiavana ataon'ny Pasitora noho ny fiheverany fa miteraka olana kokoa fa tsy mamaha olana ny fandinihana ny faminaniana.

Tsy tahaka izany mandrakariva anefa no niseho tamin'ny lasa. Nandritra ireo taonjato valo ambin'ny folo voalohany teo amin'ny tantaran'ny fivavahana kristianina, dia nifankazatra tanteraka tamin'ny faminanian'ny Baiboly ny ankamaroan'ny Kristianina, ary nahagaga ny fitovian-kevitra hita teo amin'izy ireo mahakasika ireo hafatra manan-danja ao amin'ny faminaniana. Izany tokoa no nokasain'Andriamanitra: "Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesôsy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra." 1 Kôr. 1:10.

Hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ireo fitsipika sasantsasany hahafahana mahatakatra ny faminaniana amin'ny fomba tsy miovaova sy azo antoka.

*Famerenana ny lesona ny sabata 05 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal