Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 04 April 2025

Vakio ny "Mpanavao fivavahana amerikanina", toko faha-18, ao amin'ny HM.

"Nolazain'ny mpitandrina sy ny vahoaka fa ireo faminanian'i Daniela sy ny Apokalypsy dia zava-miafina tsy hay fantarina. Kristy anefa dia nitarika ny mpianany ho amin'ny 'ny andron'izy ireo koa tenin'ny mpaminany Daniela mikasika ireo toe-javatra hitranga amin'ny ka hoy Izy hoe: 'Aoka hisaina izay mamaky izany. -Mat. 24:15. 15. Ary ny fanantitranterana fa zava-miafina ny Apokalypsy, ka tsy mety ho tratran'ny saina, dia mifanohitra amin' anaran'io boky to mihitsy. 'Ny fanambaran'i Jesôsy Kristy, izay nomen'Andriamanitra Azy, mba hasehony amin'ny mpanompony izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana; (...) Sambatra izay mamaky sy mihaino ny tenin'ity faminaniana ity ka mitandrina izay voasoratra ao anatiny, fa antomotra ny andro. - Apôk. 1:3.

"Eo anoloan'ny fanambarana avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ahoana no ahasahian'ny olona mampianatra fa zava-miafina tsy mety ho takatry ny sain'ny olombelona ny Apôkalypsy? Zava-miafina nambara izany, boky mivelatra. Mitarika ny saine ho eo amin'ireo faminanian'i Daniela ny fandinihana ny Apokalypsy, ary samy manolotra fampianarana lehibe ireo, avy amin'Andriamanitra ho an'ny olombelona, mikasika ireo toe-javatra izay hitranga amin'ny fiafaran'ny tantaran'ity izao tontolo izao ity.

"Novelarina tamin'i Jaona ireo toe-javatra mahaliana fatratra sy mampangitakitaka eo amin'ny fanandramana ataon'ny fiangonana. Hitany ny toerana, ny loza, ny ady sy ny fanafahana farany ny vahoakan'Andriamanitra. Noraketiny an-tsoratra ireo hafatra famaranana izay hahamasaka ny vokatry ny tany, na ho amboara hoentina any amin'ny sompitry ny lanitra na ho kitay hodorana amin'ny afo fandravana. Lohahevitra mavesa-danja no nambara taminy, indrindra ho an'ny fiangonana farany, mba hahazoan ireo izay miala amin'ny fahadisoan-kevitra handray ny fahamarinana, hahazo torolalana ny amin'ny loza sy ny ady manoloana azy. Tsy misy tokony hijanonana amin'ny haizina raha ny amin'izay mikasika ny hitranga eto ambonin'ny tany." - HM, tt. 355, 356, ed. 1983.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra

1. Amin'ny fomba ahoana no hahatonga ny fandinihana ny faminaniana hampitombo ny finoanao? Inona ny faminaniana nampitombo ny fitokianao amin'ny Balboly ary indrindra amin'Andriamanitra izay nanome izany tamin'ny alalan'ny tsindrimandry (faminaniana izay nosoratana an'arivo taona lasa mikasika ireo toe-javatra hitranga zato na arivo taona aty aoriana)? Ahoana, ohatra, no anomezan'ny Dan. 12 antsika antony manan-danja sy ara-lôjika mba hananana toky ny amin'ny fisian'Andriamanitra ary koa ny fahalalany momba ny hoavy?

2. Inona avy ny fomba tsara indrindra hiarovantsika tena amin'ny ezaka ataon'ny olona mba hitondrana fanazavana tsy marim-pototra momba ny faminaniana, eny fa na eo anivon'ny fiangonantsika aza indraindray? Nahoana isika no tokony hitandrina ka hamantatra ny zavatra rehetra ary hihazona mafy izay tsara (1 Tes. 5:21)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal