Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: FITSIPIKA VITSIVISY MOMBA NY FAMINANIΑΝΑ - Ry Daniela ahoroninao ny teny.

Daty
Talata 01 April 2025

Vakio ny Dan. 12:4. Inona no nambaran'Andriamanitra tamin'i Daniela teto? (Ampitahao amin'ny Apôk , 22:10) 

Fandre matetika ny fampiasan'ny mpitoriteny maro ny Dan. 12:4  izay nilaza mialoha ny amin'ny fitomboan'ny fahalalana ara-teknolojia sy ara-tsiansa mialoha indrindra ny fiverenan'i Kristy fanindroany. Maro koa no mampiasa izany hoenti-miresaka momba ny fandrosoana eo amin'ny hafainganam-pandehan'ny fitaovam-pitaterana hatramin'ny taonjato lasa teo. Maro amin'ireo bokintsika no mandray izany hevitra izany. Azo raisina ho fanazavana mitombina tokoa izany, nefa mety ho hafa noho izany koa ny hevitr'io toko sy andininy io.

Vakio indray ilay toko sy andininy. Manomboka amin'izao baiko izao ny toromarika nomen'ilay anjely an'i Daniela: "Ary ianao, ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy." Ny bokin'i Daniela ihany no resahina eto. Araka izany, azo heverina ve fa ny fahalalana io bokin'i Daniela io no hitombo vetivety foana amin'ny andro farany?

Mampiseho ny tsy fitovian'ny bokin'i Daniela amin'ny Apokalipsy izany, izay nilazana tamin'i Jaona mba tsy hanisy tombokase ny bokiny (Apôk. 22:10). Hatramin'ny voalohany dia natao ho takatry ny olona ny bokin'ny Apôkalipsy, satria "antomotra ny andro." Ny bokin'i Daniela kosa dia ho takatra mazava kokoa any amin'ny fotoana hoavy lavidavitra.

Betsaka ny manam-pahaizana kristianina niezaka nanazava ny bokin'i Daniela, tao anatin'ny taonjato maro, ary nanao dingam-pandrosoana lehibe ny sasany tamin'izy ireny. Nitombo haingana ny fahatakarana ny bokin'i Daniela, tamin'ny fiafaran'ny faminaniana momba ny 1260 taona, izay tapitra tamin'ny 1798, rehefa nanomboka nanao tsoa-kevitra ny mpamakafaka ny Baiboly maro fa hisy toe-javatra manaitra hitranga manodidina ny taona 1843. Nisongadina indrindra tamin'ireny anefa i William Miller, izay nanao toriteny nitarika ho amin'ny fihetsehana lehibe mifandraika amin'ny Fiverenan'i Kristy tamin'ny taonjato faha-19 ary koa nanomboka hetsika nitohitohy izay niafara tamin'ny fahaterahan'ny fiangonana "sisa" sy ny fahatakarana mazava ny hafatry ny anjely telo.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fahaterahan'ny fihetsehana maneran-tany izay misy antsika dia ny faminanian'i Daniela izay tanteraka fa "hitombo ny fahalalana" amin'ny "andro farany."

Etsy ankilan'izany kosa, tsy natao hitsarana momba ny famonjena ny olona tsy akory, saintsaino ny amin'ny "haizina" misy ao amin'ny tontolo kristianina ankehitriny. Odian-tsy hita, ary ailika mihitsy aza, ny fahamarinana manan-danja tahaka ny Sabata andro fahafito izay naorina tany Edena ka apetraka eo amin'ny toerany ny Alahady izay naorina tamin'ny andron'ny fanompoan-tsampy romanina. Eritrereto koa ny tsy fahalalan'ny olona na inona na inona mikasika ny fahafatesana. Ny ankamaroan'ny Kristianina dia mino ny hevitra nasisiky ny mpanompo sampy izay milaza fa manidina avy hatrany ho any amin'ny fiainana hafa ny maty, ary ho an'ny hafa indray dia midika ho afobe mirehitra mandrakizay koa izany.

Eo anatrehan'izany, dia tokony ho velom-pankasitrahana isika, ary hanetry tena, noho ny fahalalantsika ny fahamarinana.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal