Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ny famantarana faharoa tany Galilia

Daty
Alatsinainy 30 September 2024

Nanao fahagagana mba hanampiana ny olona hino Azy i Jesôsy nandritra ny asa fanompoana rehetra nataony teto an-tany. Nirakitra an-tsoratra ireny fahagagana ireny i Jaona mba hinoan'ny hafa koa an'i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:46-54. Nahoana ilay mpanoratra ny filazantsara no nampifandray io fahagagana io amin'ilay fanasana fampakaram-bady?

Namerina niresaka momba ny famantarana voalohany nataon'i Jesôsy tao Kana i Jaona raha nitantara ny famantarana faharoa nataon'i Jesôsy tany Galilia. Toa te hilaza izy hoe: "hanampy anao hahita ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy ireo famantarana nataony." Rehefa izay, dia nanampy izy hoe: "Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesôsy, fony izy tonga tany Galilia avy tany Jodia." - Jao. 4:54.

Tamin'ny voalohany, dia toa henjana ny valin-tenin'i Jesôsy manoloana ny fangatahan'ilay tandapa. Nataon'io manam-boninahitra io ho mason-tsivana hinoana an'i Jesôsy anefa ny fahasitranan'ny zanany lahy. Hitan'i Jesôsy ny tao am-pony ary notendreny ny aretim-panahy tao anatiny izay lalina kokoa noho ny aretina saika nahafaty ny zanany lahy. Tahaka ny tselatra namakivaky ny lanitra manga no nahatsapan'ity lehilahy ity tampoka fa mety hamoizany ny ain'ny zanany ny fahantrany ara-panahy.

Zava-dehibe tokoa ny fanekena fa tsy ny fahagagana amin'ny maha-fahagagana azy no manaporofo ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Misy olona hafa manao fahagagana mantsy: misy amin'ireny no mpaminany marina fa misy kosa ny sandoka. Ny fahagagana dia maneho fotsiny ny fisian'ny hery ambonin'ny an'olombelona saingy tsy midika izany fa Andriamanitra no manatanteraka azy. (Afaka manao "fahagagana" i Satana, raha toa ka "fahagagana" no iantsoantsika ny asa maneho ny hery ambonin'ny an'olombelona).

Niantoraka nitalaho ny famindrampon'i Jesôsy ilay tandapa resin-tebiteby, nangataka ny hanasitranana ny zanany. Feno toky ny valin-tenin'i Jesôsy. Hoy Izy: "Andeha mody; velona ny zanakao" - Jao. 4:50. Amin'ny filazam-potoana ankehitriny ny matoanteny "velona" amin'ny teny grika (filazam-potoana hoavy amin'ny ankehitriny izany, izay iresahana momba ny toe-javatra iray amim-pahazoana antoka, toy ny hoe efa mitranga ilay toe-javatra). Tsy nihazakazaka nody ilay lehilahy, na dia nino an'i Jesôsy aza, fa ny ampitson'io izy vao nody-hitany tamin'izay fa tamin'ny fotoana nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo indrindra no nialan'ny tazo tamin'ilay zanany lahy.

Antony iray goavana tokoa izany mba hinoana an'i Jesôsy!

Na dia mahita fahagagana aza isika, inona ny fepetra hafa tokony hojerentsika alohan'ny hilazana fa avy amin'Andriamanitra izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal