Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ny famantarana faharoa tany Galilia

Daty
Alatsinainy 30 September 2024

Nanao fahagagana mba hanampiana ny olona hino Azy i Jesôsy nandritra ny asa fanompoana rehetra nataony teto an-tany. Nirakitra an-tsoratra ireny fahagagana ireny i Jaona mba hinoan'ny hafa koa an'i Jesôsy.

Vakio ny Jao. 4:46-54. Nahoana ilay mpanoratra ny filazantsara no nampifandray io fahagagana io amin'ilay fanasana fampakaram-bady?

Namerina niresaka momba ny famantarana voalohany nataon'i Jesôsy tao Kana i Jaona raha nitantara ny famantarana faharoa nataon'i Jesôsy tany Galilia. Toa te hilaza izy hoe: "hanampy anao hahita ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy ireo famantarana nataony." Rehefa izay, dia nanampy izy hoe: "Izany no famantarana faharoa nataon'i Jesôsy, fony izy tonga tany Galilia avy tany Jodia." - Jao. 4:54.

Tamin'ny voalohany, dia toa henjana ny valin-tenin'i Jesôsy manoloana ny fangatahan'ilay tandapa. Nataon'io manam-boninahitra io ho mason-tsivana hinoana an'i Jesôsy anefa ny fahasitranan'ny zanany lahy. Hitan'i Jesôsy ny tao am-pony ary notendreny ny aretim-panahy tao anatiny izay lalina kokoa noho ny aretina saika nahafaty ny zanany lahy. Tahaka ny tselatra namakivaky ny lanitra manga no nahatsapan'ity lehilahy ity tampoka fa mety hamoizany ny ain'ny zanany ny fahantrany ara-panahy.

Zava-dehibe tokoa ny fanekena fa tsy ny fahagagana amin'ny maha-fahagagana azy no manaporofo ny maha-Mesia an'i Jesôsy. Misy olona hafa manao fahagagana mantsy: misy amin'ireny no mpaminany marina fa misy kosa ny sandoka. Ny fahagagana dia maneho fotsiny ny fisian'ny hery ambonin'ny an'olombelona saingy tsy midika izany fa Andriamanitra no manatanteraka azy. (Afaka manao "fahagagana" i Satana, raha toa ka "fahagagana" no iantsoantsika ny asa maneho ny hery ambonin'ny an'olombelona).

Niantoraka nitalaho ny famindrampon'i Jesôsy ilay tandapa resin-tebiteby, nangataka ny hanasitranana ny zanany. Feno toky ny valin-tenin'i Jesôsy. Hoy Izy: "Andeha mody; velona ny zanakao" - Jao. 4:50. Amin'ny filazam-potoana ankehitriny ny matoanteny "velona" amin'ny teny grika (filazam-potoana hoavy amin'ny ankehitriny izany, izay iresahana momba ny toe-javatra iray amim-pahazoana antoka, toy ny hoe efa mitranga ilay toe-javatra). Tsy nihazakazaka nody ilay lehilahy, na dia nino an'i Jesôsy aza, fa ny ampitson'io izy vao nody-hitany tamin'izay fa tamin'ny fotoana nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo indrindra no nialan'ny tazo tamin'ilay zanany lahy.

Antony iray goavana tokoa izany mba hinoana an'i Jesôsy!

Na dia mahita fahagagana aza isika, inona ny fepetra hafa tokony hojerentsika alohan'ny hilazana fa avy amin'Andriamanitra izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal