Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 28 March 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 3:14-22; Apôk. 4:9-11; Gen. 2:7; Gen. 3:8-10; Jer. 31:3,4; Jao. 15:1-11; Rom. 8:9-11.

Tsianjery: "Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako hianareo." Jao. 15:9

Ahoana no hamaritanao ny fifandraisanao amin Andriamanitra amin'izao fotoana izao? Moa ve izany velona tsara sy matanjaka? Moa ve ianao manokana fotoana hanamafisana izany fifandraisana izany sy handinihana ny Teny avy amin'ny tsindrimandriny ary koa hiresahana Aminy toy ny miresaka amin'ny Sakaiza iray? Raha izany, fotoana manao ahoana no laninao amin'izany?

Moa ve tianao koa ny mizara amin'ny hafa momba ny fifandraisanao amin'Andriamanitra satria izany no fifandraisana mahafinaritra indrindra eo amin'ny fiainanao? Sa efa nihanitotongana ny fifandraisanao amin'Andriamanitra? Eny tokoa, mbola mifandray Aminy ianao indraindray, saingy raha tsorina ny marina, dia tsy mafy orina intsony izany. Mety eo antenantenany koa angamba ianao, araka izay antsoin'ny Baiboly hoe "matimaty (Apôk. 3:16).

Efa mba noeritreretinao ve raha toa ireo anjely manontany ny antony tsy iainantsika amin'ny fiderana ny Mpamonjy sy Mpanavotra antsika, amin' ny fo sy saina mangetaheta ny hanakaiky kokoa an'Andriamanitra isan'andro? Raha ny marina, dia manova ny zavatra rehetra ny fifandraisana amin'Andriamanitra, eto amin'izao fiainana izao sy any amin'ny mandrakizay.

Andeha hodinihintsika mandritra ity herinandro ity ny toetry ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy ny torohevitra omen'ny Baiboly antsika. Tsy afaka ny handroso ho amin'ny tsaratsara kokoa isika raha tsy mijery ny toe-javatra amin'ny fomba mahitsy ary koa mihaino ny vahaolana atolotr'i Jesôsy .

*Famerenana ny lesona ny sabata 04 Aprily.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal