"Izay rehetra tiako no anariko sy faizako hoy i Jesôsy ao amin'ny Apôk. 3:19. "Koa dia mazotoa hianao, ka mibebaha." Tsy misy amintsika afaka hilaza marina, na dia iray segondra monja aza, fa tsy mihevitra ny momba antsika na momba ny hoavintsika i Jesôsy. Tena mora Taminy tokoa ny nahafoy ny taranak'olombelona ka tsy ho nandeha tamin'ilay lalana feno hirifiry izay nofidiny teto amin'ity tany ity. Kanefa noho ny halalin'ny fitiavany antsika indrindra no ananarany antsika eo amin'izao toerana misy antsika izao. Maniry fifandraisana mafy orina sy lalindalina kokoa amintsika Izy. Tsy mahafa-po Azy ny toetrantsika miovaova, ny fombantsika izay manao hoe: "manatona Azy aho rehefa mila Azy."
Mahasoa antsika ny fananaran'i Jesôsy; asainy mibebaka isika. Kanefa isika tsy afaka ny hibebaka raha tsy efa mahatsapa fa misy tsy mety eo amintsika. Efa nolazainy tamintsika mazava anefa izay tsy mety eo amintsika: mihevi-tena ho manan-karena isika kanjo "ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka" -Apôk 3:17.
Vakio ny Apôk. 3:20. Inona no ampanantenaina antsika eto? Inопа по tokony hataontsika mba handraisana izany teny fikasana izany?
Teny maneho sary kanto sy miavaka tokoa izany. Ilay Andriamanitr'izao rehetra izao no maniry hiara-misakafo amiko sy aminao. Maniry hitafatafa sy hiresaka amintsika eo am-pisakafoana Izy. Fifandraisana ety sy maharitra no irin'i Jesôsy ary anasany antsika.
Miandry amim-paharetana i Jesôsy ary mandondona ao am-baravaran'ny fonao. Mety efa nahita sary maneho izany ianao ao amin'ny boky ho an'ny ankizy: Mpamonjy iray lava sy mendri-kaja, mandondona moramora. Tsy manao an-terisetra hiditra ao am-baravarana Izy na koa manery anao hiresaka Aminy. Tsy manery ny fotoanao na ny fiainanao mirotoroto Izy. Fohy ny fotoana, koa raha renao ny feony, dia vohay ny varavarana, Hijoro eo Izy ary hiditra ao amin'ny fiainanao.
lo fanoharana io no maneho ny karazam-pifandraisana irin'i Jesôsy ifandraisana amintsika tsirairay avy. Indray andro any, rehefa hifanatri-tava Aminy ianao, rehefa hanipy ny satroboninahitrao eo an-tongony amin'ny fiderana sy ny fankalazana miaraka amin'ireo olona an'arivony maro, ka hiankohoka amin'ilay Mpamorona (Apôk. 4:9-11; Apôk. 5:11-14), rehefa hiserana ao an-tsainao ireo fitsapana nahazo anao teto an-tany ka ho hitanao fa tsy misy lanjany izany-moa ve heverinao fa hanenina ianao noho ny fotoana nolaninao niarahana tamin'i Apôk tety an-tany?
Mandondona i Jesôsy ankehitriny, miantso Izy. lanao no tsy maintsy manao safidy ny hamoha ny fonao hidirany. Ahoana no hanampian'ny fibanjinana ny hazo fijaliana sy ny fisaintsainana ny hevitr'izany anao amin'izany safidy izany?