Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.

Daty
Alahady 29 March 2026

Efa mba nanontany tena ve ianao ny amin'izay mety holazain'i Jesôsy raha toa Izy hanoritsoritra ny fifandraisanao Aminy amin'izao fotoana izao? Mety hilaza Izy fa mafy orina izany, na koa nihamafy orina kokoa noho ny tamin'ny lasa. Efa mba nanontany tena ny amin'izay mety holazain'i Jesôsy ve ianao raha toa Izy milazalaza momba ny olona amin'izao andro farany izao? Izany tokoa no ataony ao amin'ny Apôk. 3:14-22. Atombony amin'ny filazana izany fa Izy Ilay "mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao" - Apôk. 3:14. Tsy mba mandainga ny vavolombelona mahatoky sy marina fa miteny amin'ny fomba mazava sy mahitsy.

Vakio ny Apôk. 3:14-17, izay anoritsoritan'i Jesôsy ny toetra ara-panahin'ny vahoakany ankehitriny. Moa ve mahalaza tsara ny toetranao manokana ireo teny ireo?

Ambaran'i Jesôsy amintsika Kristianina tsirairay izay velona amin'ny andro farany fa fantany isika. Sady tsy mafana isika no tsy mangatsiaka, satria mihevi-tena ho tsy mila na inona na inona. Mandeha ny andro sy ny volana, manokana fotoana kely iarahana amin'Andriamanitra eny an-tsefatsefany eny isika ary mihevitra fa ampy izany, saingy tsy ampy izany. Raha ny marina, dia mila Azy fatratra isika, mihoatra noho izay heverintsika. Na isika tia an'i Jesôsy sy velona ho Azy amin'ny fontsika manontolo, na tsia. Tsara kokoa izany, araka ny fomba fijerin'Andriamanitra, toy izay ho matimaty. Ambaran'i Jesôsy fa haloan'ny vavany isika satria ratsy tsiro. Tsy mbola nanao izany anefa Izy, ary ilazany isika mba hanao safidy feno fahasahiana izao ankehitriny ízao.

Inona no toroheviny ho antsika ao amin'ny Apôk. 3:18,19 ?

Tamin'ny andro fahiny, ny hoe "mividy" dia midika hoe manakalo fananana. Manao takalo feno fahalalahan-tanana i Jesôsy eto: ny fangatsiahantsika hatakalony ny volamenany sy ny fitafiany fotsy ary ny odi-masony. Tiany ny hampanan-karena antsika eo imasony, ny hanafy antsika amin'ny akanjom-pahamarinany tonga lafatra. Ary iriny ny hanokatra ny masontsika mba hahita ny fahamarinana mikasika ny fomba hananana fifandraisana mitoetra Aminy, izay hanova ny zavatra rehetra. Atolony antsika izay rehetra ilaintsika, indrindra indrindra satria tsy haintsika ny mahazo izany samirery. Izy irery no afaka ary vonona ny hanome izany, saingy miankina amin'ny safidintsika izany.

Raha maharary anao ny mijery ny tenanao sy ny toerana misy anao ara-panahy, inona ny fanantenana atolotra anao ao amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo anio?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal