Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 1: TIA TSY VOZONANA ANDRIAMANITRA - Mihoatra noho izay antenaintsika

Daty
Alahady 29 December 2024

Tsy manontany antsika fotsiny Andriamanitra hoe: “Moa tia Ahy va ianao?" fa Izy koa aza dia tia ny olona tsirairay, ary tia antsika tsy vozonana. Eny tokoa, mihoatra noho izay mety hiheverantsika azy no itiavany anao sy ahy sy ny olona hafa rehetra.

Vakio ny Eks. 33:15-22 ka diniho ny tantara sy ny tontolon-kevitra misy ireo andininy ireo. Inona no ambaran’ireo momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitiavany, indrindra ny and. 19?

Toa very maina avokoa ny zavatra rehetra. Tsy ela taorian’ny nanafahan’Andriamanitra ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tao Egipta dia nikomy tamin’Andriamanitra ny Isiraely ary nivavaka tamin’ny ombilahy kely volamena. Hitan’i Mosesy ny nataon’izy ireo rehefa nidina avy tany an- tendrombohitra izy, ka nazerany tamin’ny tany ary potika ireo vatofisaka nirakitra ireo Didy folo. Efa verin’ny vahoaka ny tombontsoa sy ny fitahiana nomen’Andriamanitra malalaka azy tao anatin’ny fanekena; na izany aza anefa dia nifidy an-tsitrapo ny hifandray amin’izy ireo araka ny fanekeny Andriamanitra, na dia tsy mendrika ny fitahiana avy amin’izany fanekena izany aza ny vahoaka.

Matetika ny olona no diso fandray izay voalaza ao amin’ny Eks. 33:19 hoe: “hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo", ary mihevitra fa mizaha tavan’olona Andriamanitra ka miantra sy tsara fanahy amin’ny sasany, fa tsy mba toy izany amin’ny sasany. Raha ny tontolon-kevitra eto anefa dia tsy milaza tsy akory Andriamanitra fa ny sasany no hiantrany sy hamindrany fo, ary ny sasany kosa tsy hiantrany sy tsy hamindrany fo. Tsy mba toy izany ny toetran’Andriamanitra, ary mifanipaka amin’ny finoan’ny maro hoe: misy olona efa nalahatr’Andriamanitra ny anjarany ka tsy maintsy ho very sy ho voaheloka mandrakizay.

Koa inona àry no tian’Andriamanitra hambara eto? Izao no votoatiny: amin’ny maha-Mpahary izao rehetra izao Azy dia manan-jo sy fahefana Andriamanitra hangoraka sy hiantra na dia ny olona tsy mendrika indrindra aza, kanefa tsy misy manery Azy hanao izany. Ary izany indrindra no ataony eto: mamindra fo amin’ny vahoakany Izy, dia ny Isiraely, na dia tsy mendrika izany aza izy ireo.

Iray amin’ireo ohatra maro nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany mihoatra noho izay rehetra antenaintsika izany. Tsy vaovao mahafaly ho antsika rehetra ve izany?

Mbola manohy manambara ny fitiavany aminao hatrany ve Andriamanitra, ary mihoatra noho izay eritreretinao sy antenainao aza? Amin’ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal