Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Daty
Sabotsy 31 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Apôk , 6:12-17; Mat. 24:36-44; Gen. 6:1-8; 2 Pet. 2:4-11; Gen. 18:17-32; Dan. 7:9,10

Tsianjery:

"Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao. Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina, fandrao ho lavo." - 1 Kôr. 10:11,12.

Feno ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra ny Baiboly, izay manondro toe-javatra hiseho amin'ny hoavy sy manampy antsika hahatakatra ny "fahamarinana ankehitriny." Ny sasany amin'ireo tantara ireo tokoa mantsy dia manambara mialoha izay hitranga any am-parany any amin'ny tsipiriany mahagaga, ka manome antsika fototra mivelatra kokoa hahatakarantsika mazava ireo faminaniana ao amn'ny Daniela sy ny Apokalipsy.

Hain Andriamanitra ny nifehy ny toe-java-nitranga, nefa tsy nanitsakitsaka ny fahafahan'ny tsirairay manaraka ny feon'ny fieritreretany Izy, ka nataony mifanaraka tanteraka amin'izay efa nambaran'ny mpaminany fa hitranga amin'ny andro farany izany. Mazava ny sasany amin'ireo tantara manan-danja ireo satria miresaka momba azy manokana ny Testamenta Vaovao ho fanoritsoritana ireo tranga amin'ny andro farany, toy ny tantaran'i Sodoma sy Gomora, ny Safo-drano, sns. Ny hafa kosa dia mitaky fandinihana sy fandalinana tsara mba hahazoana manatsoaka avy aminy ny fahamarinana izay nomena antsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra.

Handinika tantara manan-danja vitsivitsy isika mandritra ny roa herinandro manaraka, mba hahitantsika izay mety hambarany momba ny fiavian'i Kristy fanindroany, ny fitsarana famotopotorana, ny fotoan-tsarotra farany, sy ny hafa koa. Ho hitantsika eo afovoan'izany rehetra izany i Kristy satria Izy no tsy maintsy fototra sy tanjona faran'ireo faminaniana dinihintsika.

*Famerenana ny lesona ny sabata 07 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.
Sun 01 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fahatezeran’i Zanak’ondry.
Mon 02 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny asa fitorian’i Noa.
Tue 03 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora.
Wed 04 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ilay Mpitsara ny tany rehetra.
Thu 05 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.
Fri 06 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.
Sat 07 Jun 2025
LESONA 11:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.
Sun 25 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.
Mon 26 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.
Tue 27 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Ambanin’ny tongony.
Wed 28 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.
Thu 29 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.
Fri 30 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fianarana fanampiny.
Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sat 07 Jun 2025
LESONA 11:
Sun 08 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA -
Mon 09 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA -
Tue 10 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA -
Wed 11 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA -
Thu 12 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA -
Fri 13 Jun 2025
LESONA 10: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal