Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.

Daty
Alakamisy 05 June 2025

maso momba izay takona amin'ny masontsika ny fanoritsoritana ny fitsarana hita ao amin'ny Dan. 7 fotoana mahatalanjona ahafahantsika mahita ny fomba amahan'Andriamanitra ny olan'ny ota, sady amonjeny ireo izay maniry hifandray Aminy ao anatin'ny fanekena.

Vakio ny fanoritsoritana ny fitsarana famotopotorana ao amin'ny Dan. 7:9,10,13,14,22,26,27. Inona no tena ifantohan'ny fitsarana? Inona ny didim-pitsarana navoaka taorian'izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny drafi-panavotana?

T’y isalasalana fa ny taranak'olombelona no tsarain'Andriamanitra. Manome toky antsika ny voalaza ao amin'ny Mpitt. 12:14 fa "ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana", ary ampahatsiahivin'i Paoly fa tsy ilaintsika ny mifampitsara satria "samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra" Rôm. 14:10. Mazava loatra fa tsy mila boky firaketana Andriamanitra mba hahafantarany izay voavonjy sy izay very, saingy inoana fa mametra-panontaniana ihany ireo anjely izay nandinika ny drafi-panavotana hatrany am-piandohana (1 Pet. 1:12). Hitan'izy ireo mantsy ny nandroahana an'i Satana sy ny ampahatelon'ny anjely tany an-danitra (Apôk. 12:4), ary izao dia entin'Andriamanitra eo anatrehany isika. Sokafan'Andriamanitra ny boky, ary avelany hahita ny zavatra rehetra isika.

Manome antsika fanazavana manan-danja momba ny fitsarana ny tantaran'ny nifonan'i Abrahama ho an'i Sodoma sy Gomora. Miharihary fa efa nofotopotorina ny fahotan'i Sôdôma; nambaran'Andriamanitra fa lehibe tokoa ny fitarainana momba azy noho ny fahotany (Gen. 18:20). Kanefa tsy ny amin'i Sodoma sy Gomora ihany no nanaovana fanadihadiana mialoha ny nandravana azy ireo. Navelan'Andriamanitra handinika tsara koa i Abrahama raha ara-drariny na tsia ny fanapahan-keviny handringana ny ratsy fanahy.

Ary iza ilay miseho eo afovoan'ny fitsaran'ny lanitra ao amin'ny Dan. 7? Tsy iza fa "ny zanak'olona", dia i Jesôsy ((Dan. 7:13, jereo koa ny Mat. 20:28), Izay hany antony mahatonga ny olo-masin'ny Avo Indrindra nomena rariny (Dan. 7:22). Ny fahamarinany tonga lafatra irery ihany no ahafahan'ny olony mandresy amin'ny fitsarana.

Alao sary an-tsaina hoe mijoro eo anatrehan'ny fitsarana lanao, miaraka amin'ireo tsiambaratelonao voaseho eo anatrehan'Andriamanitra masina. Inona no hany fanantenana ho anao amin'io fotoana io? (Jereo ny lesona Zoma)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal