Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 01 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 10:1-14; Apôk . 13:1-8; Jôba 1:1-12; Joba 2:1-7; Jao. 12:31; Jao. 14:30; Mar. 6:5; Mar. 9:29.

Tsianjery:

"Izay manota dia avy amin'ny devoly, satria ny devoly manota hatramin'ny voalohany. Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." - 1 Jao. 3:8

Tantara miavaka anankiray izay maneho ny toetry ny fifanandrinana lehibe ny 1 Mpanj. 18:19-40. Teo an-tendrombohitra Karmela i Elia ary teo no nampihariharian'i Jehôvah ny toetr'ireo izay antsoina hoe "andriamanitry ny firenena." Tsy zavatra noforonin'ny sain'ireo mpanompo sampy fotsiny ireo "andriamanitra" ireo. Nisy zavatra hafa tao ambadik'ireo "andriamanitra" izay noheverin'ny firenena nanodidina ny Isiraely fa notompoiny.

"Namono zavatra ho fanatitra ho an'ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, dia andriamanitra tsy fantany, fa andriamanitra vao niseho, izay tsy natahoran'ny razanareo. Deo. 32:17. Izao no nanampian'i Paoly izany: "Tsia, fa izay zavatra aterin'ny jentilisa ho fanatitra, dia aterina amin'ny demonia, fa tsy amin'Andriamanitra; koa tsy tiako ho mpiombona amin'ny demonia hianareo." - 1 Kôr. 10:20.

Ny demonia nisaron-tava no tao ambadik'ireo andriamani-tsy izy izay nivavahan'ny firenena. Midika izany fa ny lahatsoratry ny Soratra Masina rehetra momba ny fanompoan-tsampy sy ny andriamani-kafa dia lahatsoratra mahakasika ny "fifanandrinana lehibe."

Feno kokoa ny fahatakarana ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy noho ny amin'izany tontolon-kevitra izany. Ary izany fahamarinana izany dia misy fiantraikany goavana eo amin'ny fahatakaran-javatra bebe kokoa mahakasika ny toetr'io fifanandrinana io sy ny fitondrany fanazavana mikasika ny olan'ny faharatsiana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 08 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal