Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 07 March 2025

Vakio ny "The Power of Satan," tt. 341-347 ao amin'ny boky TFC, b. 1.

"Mpifatotr’ i Satana ara-dalána ny olombelona lavo. Ny hanavotra azy amin'ny herin'io fahavalo lehibe io no iraka nampanaovina an'i Kristy. Fironana ao anatin'ny olombelona ny manaraka ny tolo-kevitr'i Satana, ary sarotra ho azy ny manohitra ity fahavalo ratsy ity raha tsy mitoetra ao Aminy i Kristy ilay Mpandresy Tsitoha ka mitarika ny faniriany sy manome hery azy. Andriamanitra irery no afaka mametra ny fahefan'i Satana. Mivezivezy manerana ny tany izy. Tsy mitsahatra miambina izy na dia fotoana fohy aza noho ny fahatahorany andrao misy hirika veriny izay tokony hanimbany fanahy. Zava-dehibe ny hahatakaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, mba handosiran'izy ireo amin'ny fandrika velariny. Manomana ny famitahany i Satana, mba tsy hahatakaran'ireo vahoakan'Andriamanitra ny tena toetrany amin'ny famelezana farany ataony amin'izy ireo. "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." - 2 Kôr. 11:14. Raha miaro ny tsangankevitra momba ny tsy fisiany ireo fanahy voafitaka, dia efa babony sahady, ary miasa amin'ny alalan'izy ireo izy. Fantatr'i Satana tsara mihoatra noho ny fahalalan'ny vahoakan’Andriamanitra azy fa afaka handresy azy izy ireo raha ao amin'i Kristy ny heriny. Rehefa mangataka fanampiana amim-panetren-tena amin'ilay Mpandresy lehibe ny mpino ny fahamarinana izay marefo indrindra, dia azony atao ny manohitra an'i Satana sy ny tafiny rehetra raha toa izy miankina tanteraka amin'i Kristy. Fetsy loatra i Satana ka tsy hampiseho miharihary sy amim-pahasahiana ny fakam-panahiny, andrao hifoha ny herin'ny Kristianina izay rendrehana teo ka hiankina amin'ilay Mpanafaka mahery sy Tsitoha izy ireo. Misoko miadana izy, ary miasa tsy misehoseho amin'ny alalan’ireo zanaky ny tsy fankatoavana izay mitonona ho mpivavaka." - TFC, b. 1, 1. 341.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Inona no hevitry ny hoe "mpifatotr'i Satana ara-dalana"? Midika ve izany fa azon'ny devoly atao izay tiany hatao amin'ny olona? Raha tsy izany, nahoana? Ahoana no ifandraisan'izany amin'izay antsoina hoe "fitsipika mifehy ny ady" ao anatin'ny fifanandrinana lehibe?

2. Nahoana Andriamanitra no manome fahefana an'i Satana ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, eny fa na dia fahefana voafetra ihany aza izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitadiavan'Andriamanitra hamaly ny fiampangan'i Satana?

3. Inona no avalinao ireo olona, na ny Kristianina aza, izay mandà ny fisian'i Satana ho voary tena misy ary koa manana ny maha-izy azy manokana? Na dia tsy tena azontsika porofoina aza ny fisian'i Satana, inona ny porofo azonao angonina mba hanampiana ny olona iray iharan'ny fitaka lehibe?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal