Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: NY FITSIPIKA MIFEHY NY ADY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 07 March 2025

Vakio ny "The Power of Satan," tt. 341-347 ao amin'ny boky TFC, b. 1.

"Mpifatotr’ i Satana ara-dalána ny olombelona lavo. Ny hanavotra azy amin'ny herin'io fahavalo lehibe io no iraka nampanaovina an'i Kristy. Fironana ao anatin'ny olombelona ny manaraka ny tolo-kevitr'i Satana, ary sarotra ho azy ny manohitra ity fahavalo ratsy ity raha tsy mitoetra ao Aminy i Kristy ilay Mpandresy Tsitoha ka mitarika ny faniriany sy manome hery azy. Andriamanitra irery no afaka mametra ny fahefan'i Satana. Mivezivezy manerana ny tany izy. Tsy mitsahatra miambina izy na dia fotoana fohy aza noho ny fahatahorany andrao misy hirika veriny izay tokony hanimbany fanahy. Zava-dehibe ny hahatakaran'ny vahoakan'Andriamanitra izany, mba handosiran'izy ireo amin'ny fandrika velariny. Manomana ny famitahany i Satana, mba tsy hahatakaran'ireo vahoakan'Andriamanitra ny tena toetrany amin'ny famelezana farany ataony amin'izy ireo. "Ary tsy mahagaga izany, fa Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin'ny mazava." - 2 Kôr. 11:14. Raha miaro ny tsangankevitra momba ny tsy fisiany ireo fanahy voafitaka, dia efa babony sahady, ary miasa amin'ny alalan'izy ireo izy. Fantatr'i Satana tsara mihoatra noho ny fahalalan'ny vahoakan’Andriamanitra azy fa afaka handresy azy izy ireo raha ao amin'i Kristy ny heriny. Rehefa mangataka fanampiana amim-panetren-tena amin'ilay Mpandresy lehibe ny mpino ny fahamarinana izay marefo indrindra, dia azony atao ny manohitra an'i Satana sy ny tafiny rehetra raha toa izy miankina tanteraka amin'i Kristy. Fetsy loatra i Satana ka tsy hampiseho miharihary sy amim-pahasahiana ny fakam-panahiny, andrao hifoha ny herin'ny Kristianina izay rendrehana teo ka hiankina amin'ilay Mpanafaka mahery sy Tsitoha izy ireo. Misoko miadana izy, ary miasa tsy misehoseho amin'ny alalan’ireo zanaky ny tsy fankatoavana izay mitonona ho mpivavaka." - TFC, b. 1, 1. 341.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra:

1. Inona no hevitry ny hoe "mpifatotr'i Satana ara-dalana"? Midika ve izany fa azon'ny devoly atao izay tiany hatao amin'ny olona? Raha tsy izany, nahoana? Ahoana no ifandraisan'izany amin'izay antsoina hoe "fitsipika mifehy ny ady" ao anatin'ny fifanandrinana lehibe?

2. Nahoana Andriamanitra no manome fahefana an'i Satana ao anatin'ilay fifanandrinana lehibe, eny fa na dia fahefana voafetra ihany aza izany? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitadiavan'Andriamanitra hamaly ny fiampangan'i Satana?

3. Inona no avalinao ireo olona, na ny Kristianina aza, izay mandà ny fisian'i Satana ho voary tena misy ary koa manana ny maha-izy azy manokana? Na dia tsy tena azontsika porofoina aza ny fisian'i Satana, inona ny porofo azonao angonina mba hanampiana ny olona iray iharan'ny fitaka lehibe?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal