Vakio ny 2 Kor. 4:7-18. Ataovy lisitra ireo fahoriana niaretan'l Paoly. Ahoana no nahafahany niaritra Izany rehetra Izany?
Hoy i John Huss, ilay mpanavao fivavahana lehibe tany Bohême fahiny, momba an'i Jesosy: "Manjaka amin'izao tontolo izao Izy, ary isika kosa olona mety maty sy fadiranovana nefa Izy niari-pijaliana! Nahoana kosa ary isika no tsy hijaly koa, indrindra raha ho fanadiovana antsika ny fijaliana?"- HM, tt. 105, 106, пр.
Taonjato maro talohan'izany dia efa naneho io fahavononana hijaly ho an'i Kristy io koa ny apostoly Paoly. Fantany fa tsy inona izy fa toy ny vilany tanimanga mora vaky (2 Kor. 4:7). Nahatsapa matetika izy fa voageja manodidina, very hevitra, nenjehina, ary potraka nefa tsy torotoro na namoy fo, ary tsy nafoy na maty (2 Kor. 4:8, 9). Vonona izy ny hitondra ny fahafatesan'i Jesosy mandrakariva ao amin'ny tenany, mba haseho ao amin'ny tenany koa ny fiainan'i Jesosy (2 Kor. 4:10, 11).
Ny filazan'i Paoly hoe "fahafatesan'i Jesosy" dia azo heverina fa manondro ireo fahoriana noresahiny tao amin'ireo andininy teo aloha. Raha atao indray mijery, ny teny hoe "fiainan'i Jesosy" dia azo heverina fa manondro ny fanafahana amin'ny fahafatesana na ny hery ara-panahy manohana ny fiainantsika ankehitriny. Rehefa dinihina kosa dia ny fitsanganana amin'ny maty no tondroin'izany (jereo ny 2 Kor. 4:12).
Mahaliana tokoa fa in-3 no ampiarahana ny teny hoe "fahafatesana sy fiainana" ao amin'ny 2 Kor. 4:10-12. Mampahatsiahy antsika izany fa amin'izao vanim-potoana iainantsika izao dia mifangaro amin'ny fahafatesana ny fiainana. Kanefa any amin'ilay voninahitra ho avy, dia hanana fiainana tsy misy fahafatesana isika (Apôk. 20:14; Apok. 21:4).
Manan-danja indrindra ny fanehoan'ny 2 Kor. 4:7-18 fa torina amin'ny alalan'ny olombelona marefo ny filazantsara mba ho fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra irery (2 Kor. 4:15). Matetika ireo misionera no miatrika fahoriana sy fitsapana raha eo am-panatanterahana ny asa fanompoany. Kanefa ny fahoriana iainantsika ankehitriny dia maivana sy vetivety, raha ampitahaina amin'ilay voninahitra mandrakizay izay miandry antsika (2 Kor. 4:17). Velona amin'ny finoana fa tsy amin'ny fahitana ny mpino (2 Kor. 4:18; 2 Kor. 5:7).
Nifantohan'ny sain'i Paoly fatratra izany fanantenana ny hoavy izany ka niresaka momba izany mandrakariva izy arakaraka ny itohizan'ny lahatsoratra (2 Kor. 5:1-10). Sary an'ohatry ny trano-lay etỳ an-tany no anondroany ny tenany mety maty. Etsy ankilan'izany kosa, "izay voarafitr Andriamanitra" dia sary an'ohatra maneho ny tena hatsangana amin'ny maty (2 Kor. 5:1), izany no fanantenana lehibe nananan'ireo mpino teo amin'ny fotoana rehetra nifandimby.
Na dia eo anivon'ny toe-javatra rehetra mifamahofaho aza, dia zava-dehibe Indrindra ny hanantenantsika ny fitsanganana amin'ny maty, ny fitsanganantsika amin'ny maty (1 Kor. 15:52), nahoana?