Vakio ny Kol. 2:16-19. Inona ny fomba fanao jiosy-kristianina asongadin'i Paoly eto?
Hatramin'izao andro izao ireo manam-pahaizana no tsy mbola miombon-kevitra mikasika ny toe-javatra tena tian'i Paoly horesahina eto. Ny azontsika antoka dia izao: ny epistilin'i Paoly mihitsy no mitondra fampahafantarana mikasika izay noheverina fa hery miasa mangina nitondra fisarahana teo amin'ny Jiosy sy ny Kristianina tao anatin'io fiangonana izay nahitana Jentilisa maro an'isa io (Kôl. 2:13). Izany hoe, nametraka fitsipika izay tsy voatery harahin'ny mpino jentilisa ireo mpino jiosy.
Mazava ny fitanisana ataon'ny Kôl. 2:16 momba ireo fomba amam-panao jiosy mbola notohizan'ny Jiosy sasany izay tonga Kristianina. Kanefa na ireo teboka resahin'ny Köl. 2:18 aza dia ao anatin'izany tontolon-kevitra izany ihany. Notenenin'i Jesosy mafy ny fanetren-tena feno fihatsarambelatsihin'ireo mpitondra fivavahana (ohatra: Mat. 6:1,5,7,16). Hita ao amin'ireo horonan-taratasin'ny Korano fa nitana anjara toerana manan-danja ny anjely tao anatin'ny fiheveran'ny Jiosy sasany mikasika ny fivavahana. Noho izany, dia azo inoana fa mitovy amin'ireo olana natrehin'i Paoly tany amin'ny fiangonana hafa koa ireo olana tao Kolosia.
Noho ny Kôl. 2:16 raisin'ny olona amin'ny heviny diso matetika, dia zava-dehibe ny handinihana izany an-tsipiriany bebe kokoa. Mariho ireto teboka ireto:
Ny fampiasan'i Paoly ny hoe "koa" dia maneho ny fisintonany fehiny avy amin'izay efa voalazany. Teo alohan'izay dia nolaviny ny tsy maintsy hanaovana ny famorana satria ny fiovam-po no tena zava-dehibe (Kôl . 2:11-15).
"Ny fihinana, na ny fisotro" dia manondro ny fanatitra hanina sy ny sotroina izay nentin'ireo Isiraelita tao amin'ny tempoly.
Azo heverina fa ny firesahana momba "ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata dia mifamaly amin'ny Hos. 2:13 izay ahitana koa ireo andro firavoravoana ireo araka ny filaharany, ao anatin'izany ny sabata seremoniely (jereo ohatra ny Lev. 23:11,24,32).
Zava-dehibe ho an'ny fahatakarantsika ireo andalan-teny ireo ny fanazavana nomen'i Paoly: "aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy." -Kôl . 2:17. Ireny andro firavoravoana ireny, sy ireo fanatitra nentina tamin'izany. dia nanondro ny asan'i Kristy (jereo ny 1 Kôr. 5:7; 1 oôr. 15:23), Ny Sabata andro fahafito kosa, dia naorina tany Edena, talohan'ny nidiran'ny ota, ary taloha indrindran'ny nanaterana fanatitra seremoniely tao amin'ny fitoerana masina. Noho izany, dia tsy aloka tokony hofoanana aorian'ny hazo fijaliana izany.
Na dia tsy ny Sabata andro fahafito aza no lohahevitra resahina mivantana eto, ahoana no hampiharanao ny torohevitr'i Paoly mikasika ny tsy hitsarana ny hafa?