Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 13 March 2026

Rehefa mitarika ny saina sy ny fon'ny olona ny Fanahin Andriamanitra, dia misy hira vaovao hisandratra ny teny fikasana nataony taminy Andriamanitra, ka voavela ny helony, avy amin'ny fanahiny, satria tsapany fa nanatontosa ary voaisotra ny fahotany. Naneho ny fibebahany noho ny nandikany ny didin Andriamanitra ny olona níova fo, ka manambara ny finoany an'i Kristy izay maty ho fanamarinana ny mpanota: «Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika». Rôm. 5:1

Kanefa kosa raha efa nanao izany fanandramana izany ny Kristiana dia tsy tokony hamihin-tanana fotsiny, ka ho afa-po aminizay notanterahina ho azy. Satria izay nanapa-kevitra hiditra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra dia hahita tsy ho ela fa ny hery rehetra, sy ny filana namatotra ny fiainany fony tsy mbola niova fo, izay nohamafisin'ny herin'ny fanjakan'ny maizina, dia nitsangan-kanohitra azy. Koa dia tsy maintsy manavao ny fanoloran-tenany isan'andro amin'ny Tompo izy, ka hiady amin'ny ratsy. Hirohotra hanao izay hifehezana azy ny fahazaran-dratsy teo aloha, sy ny fironana ho amin'ny ota nolovany. Koa dia tsy maintsy miambina mandrakariva tsy ho azon'ny fahavalony izy, ka hampiasa ny fiadian'i Kristy mba hahazoany fandresena. (...)

Ilaintsika loatra ny hanana fiainana madio, mendrika kokoa, ambony kokoa. Fatra-pihevitra loatra ny tany isika, ary tsy ampy ny fiheverantsika ny fanjakan'ny lanitra.

Tsy tokony ho resin'ny famoizam-po ny Kristiana miezaka hanatratra ny fenitra ambony omen‘ Andriamanitra, satria ampanantenaina ho an'ny tsirairay avy ny fahatanterahana eo amin'ny toetra sy ny fanahy noho ny fahasoavana sy ny herin'i Kristy. Kristy no loharanon'aina. (...) Ampiasainy ho antsika ny faherezan'ny herin'ny lanitra, ka ampifandraisiny amin'ny heriny mamelombelona isika isaky ny indray mandingana eo amin'ny lalam-pahamasinana izorantsika. » -VM, tt. 415,416

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ahoana no efa nanandramanao manokana ilay teny fikasana momba ny fanamarinana amin'ny finoana? Ahoana no nanovan'izany teny fikasana mahafinaritra izany ny fiainanao? Inona no ifandraisan'io teny fikasana io amin'ny hoe «niara-natsangana tamini Kristy» koa lanao?

2. Inona no hevitry ny hoe «misaina ny zavatra any an-danitra»? Zava-dehibe kokoa noho ny manao soa eto an-tany ve izany? Ahoana no ahaizana mandanjalanja izany?

3. Saino ny fiainanao sy ny karazana hery miasa mangina ananany eo amin'ny hafa. Ary na manana fironana aza isika hieritreritra fa avy amintsika manokana izany, ahoana kosa ny amin'ny hery miasa mangina ananantsika amin'ny maha fiangonana antsika? Misy fiantraikany manao ahoana eo amin'ny fiarahamonina ny fiangonana misy anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal