Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.

Daty
Talata 10 March 2026

Vakio ny Kol. 3:6-11. Ahoana no anohizan'i Paoly ny fanazavany?

Ny teny voalohany ao amin'ny Kolosiana 3:8 dia manambara ny fiovana lehibe miainga amin'ny fahafatesana ho amin'ny fiainana: «Fa ankehitriny». Ny teny grika nadika hoe «ankehitriny» dia manantitrantitra. Ankehitriny, izany hoe, satria efa niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo ary mikatsaka ny zavatra any ambony, dia tokony ho hafa tanteraka amin'ny fiainanao taloha ny fiainanao ankehitriny. Rehefa voavono ny «momba ny tenanareo ety an-tany» (Kol. 3:5), dia «esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo.» - Kol. 3:8.

Ny fahavinirana sy ny fahatezerana dia samy afaka mamaritra ny fihetsika ara-drariny asehon'Andriamanitra manoloana ny fahotana (voaresaka omaly). toy ny fihetsik'i Jesosy koa (Mar. 3:5; Apok. 6:16). Isika kosa dia asaina «halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra; fa ny fahatezeran'ny olona dia tsy ahefana izay marina eo imason'Andriamanitra.» - Jak. 1:19,20. Maniry zava-dratsy hitranga amin'ny hafa ny lolompo. Ny fitenenan-dratsy dia natao hanalam-baraka. Melohin'i Paoly ny teny feno halozana sy mahamenatra. Farany, voarara ny mifandainga (ampitahao amin'ny Lev. 19:11,18), «fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin'ny asany». - Kol. 3:9.

Inona no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe «toetra taloha» izay mifanohitra amin'ny toetra vaovao»? Jereo ny Rom. 6:6 sy ny Efes. 4:22-24.

Ny matoanteny ampiasain'i Paoly ilazana ny fialana amin'ny taloha ho amin'ny vaovao dia manondro fitafiana, toy ny hoe manaisotra ny fitafiana malotony taloha ilay olona ary mitafy fitafiana fotsy vaovao (ampitahao amin'ny Zak. 3:4). Misy fanavahana ny taloha sy ny vaovao toy izany koa hita momba ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao, ka ny taloha taratasin-dalana hita ivelany, ary ny vaovao kosa lalåna voasoratry ny Fanahy Masina ao am-po (2 Kor. 3:4-18).

Manoritsoritra ny fiovam-po sy ny vokany ireo fanoharana ireo, izay antsoin'i Paoly hoe «olom-baovao» (2 Kor. 5:17). «Havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary (Kristy)» antsika isika - Kol. 3:10, izay «endrik Andriamanitra tsy hita Kol. 1:15. Manova antsika «hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra» ny fahalalana an'i Kristy amin'ny alalan'ny Teniny. - 2 Kor. 3:18. Mametraka antsika ho ambonin'ny fitsipika mifehy ara-poko sy ny faritra ary ny fiarahamonina rehetra izany (Kol. 3:11), satria olom-pirenena ao amin'ny fanjakana ambony kokoa isika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal