Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 06 September 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 32:1-6; Sal. 115:4-8; Isa. 44:9,10; Rom. 1:22-27; Eks. 32:7-32; Isa. 53:4.

Tsianjery:

"Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehôvah ka nanao hoe: Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako." - Eks. 32:31,32.

Efapolo andro monja no tsy teo an-tobin'ny Isiraely i Mosesy, dia inona no nitranga? Nivily niala tamin'Andriamanitra ny vahoakany, ka nivavaka tamin'ny sampy namboarin'olombelona, dia ombilahy kely volamena. Ahoana no nahavitan'izy ireo izany zavatra izany, kanefa fahagagana sy famantarana ary fanandramana maro no efa hitany?

Maro no mety ho valin'izany, ary angamba misy fahamarinany ihany. Tsy takatry ny olona ve hoe iza marina Andriamanitra? Sa hadinon'izy ireo ny fanandramana lehibe niainany niaraka Taminy noho ny faniriany feno filan'ny nofo sy feno fahotana? Tsy nankasitraka izay nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo ka nataony fa efa tokony ho azy rahateo ny fitahiana rehetra? Maizina ve ny fahatakarany, izay simba noho ny fiahiahiany ny fiainany isan'andro sy ny fisainany taloha feno fahotana? Tsy nahay nankasitraka tsotra izao ny asam-pamindram-po nataon'Andriamanitra ho azy ve izy ireo? Hadinon'izy ireo vetivety teo ve ny asa mahery nataon'Andriamanitra (Sal. 106:13, 21-23)? Sa ny tsy fahombiazan'ny fitarihan'i Arona no tokony homen-tsiny amin'izany rehetra izany? "Ary Jehôvah dia tezitra indrindra tamin'i Arona ka saiky nandevona azy." - Deo. 9:20.

Na inona na inona antony nahatonga io fihemorana mahatsiravina io, inona avy ireo lesona azontsika sintonina avy amin'izany, tsy momba ny maha-mpanota ny olombelona ihany, fa momba ny fitiavan'Andriamanitra ny olombelona sy ny fahasoavany, na dia eo aza ny maha-mpanota azy ireo?

*Famerenana ny lesona ny sabata 13 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal