Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 8-9; Jao. 3:16; Jao. 17:5; Lio. 9:58; Apok. 13:8; Rôm. 12:8; Rom. 15:26,27.
Tsianjery
"Fa fantatrareo ny fahasoavan'i Jesôsy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." - 2 Kor. 8:9.
Hita ao amin'ny 2 Kor. 8 sy 9 fa nomen'i Paoly faha fahafahana hanampy ireo mpiray fanantenana aminy any Jodia ny Korintianina. Mampiseho ireo toko ireo fa tombontsoa manokana omen'Andriamanitra antsika ny fanomezana, mba hahafahantsika maka tahaka ny toetran'i Kristy izay mahafoy tena. Ny fanomezana no fitenin'ny lanitra. Mariho ity teny miavaka ity: "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana" - Jao. 3:16.
Ankoatra izany, aseho mazava ao amin'ny Jao. 3:16 ny tanjon'Andriamanitra tamin'ny nanomezany an'i Jesôsy, dia "mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Miara-dalana ao amin'io andininy io ny fitantanam-pananana sy ny iraka. Tsy azo sarahina izy ireo, toy ny lafiny roa amin'ny vola madinika iray. Tsy mahagaga raha milaza ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy ho "mpitandrina ny zava-miafina izay an'Andriamanitra" i Paoly - 1 Kor. 4:1. Mpitandrina araka izany hevitra izany koa isika.
Ho hitantsika amin'ity herinandro ity fa ny foto-kevitra momba ny fitandremam-pananana sy ny iraka dia miorim-paka lalina ao amin'ny oha-piainan'i Jesôsy . Marina tokoa fa tsy azo sarahina ireo. Ny fitantanam-pananana na fitandremam-pananana no manome ny fiangonana ny loharanon-karena, ara-bola sy olona, ho fanatanterahana ny iraka nampanaovin'Andriamanitra azy.
*Famerenana ny lesona ny sabata 12 Septambra .