Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.

Daty
Alarobia 11 June 2025

I HAMANA SY I SATANA

Mahita an'i Hamana, lehilahy mangetaheta toeram-boninahitra sy fahefana isika, ao amin'ny tantaran'i Estera. Nomen-kaja lehibe ambonin'ireo andriana rehetra izy tao amin'ny fanjakana (Est. 3:1).

Raha mamaky ny momba an'i Losifera ao amin'ny Ezek. 28:11-15 sy ny Isa. 14:12-15 isika, dia mahita ny fitoviany amin'i Hamana, lehilahy ratsy fanahy fahavalon'ny vahoaka nofidin'Andriamanitra, izay tsy nety niankohoka teo anatrehan'ny fahalehibeazan'Andriamanitra. Ao amin'ny tantaran'ny nakana fanahy an'i Kristy no isehoan'ny fikasana lalina indrindra tao anatin'i Satana, raha nitondra an'i Jesôsy tany an-tendrombohitra avo dia avo izy mba haneho Aminy ireo fanjakana eto amin'izao tontolo izao (Mat. 4:8-11). Araka izay efa hitantsika, dia tonga mba hanavotra an'izao tontolo izao i Kristy ary hitaky izany ho fananany. Tamin'ny maha-Olombelona iray amintsika Azy no nanaovany izany. I Jesôsy no ilay havana mahavotra, ary mazava loatra fa ambony dia ambony tokoa ny sanda naloany mba hanavotana an'izao tontolo izao.

Hitantsika ao amin'ny Apokalipsy ny fitiavan'i Satana fatratra ny fahefana sy ny fiankohofana izay mitarika ho amin'ireo toe-java-tsarotra farany eto amin'ity tontolo ity. Izao tontolo izao no reseny lahatra ho "gaga" sy hanaraka an'ilay bibidia amin'ny alalan'ireo famitahana ataony (Apôk. 13:3,4), afa-tsy ireo olom-bitsy izay mandà tsy hiankohoka aminy. Ampiasany hery ireo olona ireo.

Tsikaritr'i Hamana fa tsy nety nandohalika teo anatrehany sy nanaiky azy ho manan-jo "hiankohofana" i Mõrdekay, anankiray tamin'ireo vahoaka nofidin' Andriamanitra. "Tezitra loatra izy" ka tapa-kevitra ny handringana ireo mpiray firenena rehetra amin'i Môrdekay.

Vakio ny Est. 3:1-14 sy ny Apôk. 12:14-17 ary ny Apôk. 13:15. Inona ny fitoviana hitanao eo amin'ireo andalan-teny ireo? Ahoana no itovian'ny fanoritsoritan'i Jaona ny fiangonana sisa izay an'Andriamanitra sy ny fanoritsoritan'i Hamana ny vahoakan'Andriamanitra tamin'izany?

Nanambara ny fananany zo amin'ity tontolo ity ny devoly, saingy manohitra ny fihamboany ho manana fahalehibeazana faratampony ny fisian'ireo vahoakan'Andriamanitra mijoro ho mahatoky izay mitandrina ny Didiny. "Rehefa hanjary antony manokana ifanolanana eo amin'ny vahoaka kristianina ny Sabata, dia hahatonga ireo vitsy an'isa ho fankahala eran'izao tontolo izao ny fikirizany handà tsy hilefitra amin'izay takin'ny besinimaro." - Signs of the Times, 22 Febroary 1910.

Eritrereto ireo zavatra "madinika" izay mizaha toetra ny finoanao amin'izao fotoana izao. Raha toa ianao manao marimaritra iraisana momba ireny "zava-madinika" ireny, ahoana no hataonao rehefa ho avy ny fizahan-toetra lehibe?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.
Sun 01 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fahatezeran’i Zanak’ondry.
Mon 02 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny asa fitorian’i Noa.
Tue 03 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny tantaran’i Sodoma sy Gomora.
Wed 04 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ilay Mpitsara ny tany rehetra.
Thu 05 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Ny fitsarana mialoha ny fiverenan’i Kristy.
Fri 06 Jun 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fianarana fanampiny.
Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.
Sun 25 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.
Mon 26 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fanantenana eo anivon’ny hotakotaka.
Tue 27 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Ambanin’ny tongony.
Wed 28 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Divay sy rà.
Thu 29 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mba ho fantatra ety ambonin’ny tany ny famonjenao.
Fri 30 May 2025
Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fianarana fanampiny.
Sat 31 May 2025
LESONA 10: "(...) IZAY NIHARAN'NY FARAN'IZAO TONTOLO IZAO"- Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal