Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— Fampidirana.

Daty
Sabotsy 08 March 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao 18:37; Rôm. 3:23-26; Rôm. 5:8; Isa. 5:1-4; Mat. 21:33-39; Isa. 53:4; Rôm. 3:1-4.

Tsianjery:

"Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesôsy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao по nihaviako amin'izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin'ny marina dia mihaino ny feoko." - Jao. 18:37.

Taona vitsivitsy lasa izay, nisy tantara mahaliana iray ho an'ny ankizy navoaka tao amin'ny gazetiboky "Guide". Zazalahy iray antsoina hoe Denis no ifantohan'ny tantara. Kamboty notezain'ny fianakaviana iray nandritra ny Vanim-potoana Antenantenany izy. Nankahala tanteraka ny mpanjaka teo amin'ny fireneny i Denis satria, rehefa narary ny ray aman-dreniny, dia nentin'ny miaramilan'ny mpanjaka izy, ary tsy nahita azy ireo intsony. Taty aoriana vao fantany fa nosarahin'ny mpanjaka izy ireo mba tsy hahazo ny sisa velona tamin'izany fotoana izany ny horohoron'ny pesta mainty. Nanaisotra ny fankahalana tao am-pon'i Denis, izay nokolokoloiny saika nandritra ny androm-piainany, ny fahamarinana momba ny mpanjaka. Izay rehetra nataon'ny mpanjaka dia nataony noho ny fitiavany ny vahoakany.

Maro ankehitriny no toa an'i Denis rehefa mihevitra ny momba an' Andriamanitra. Ny faharatsiana hitany na niainany no mahatonga azy ireo hankahala na handà an'Andriamanitra. Aiza Andriamanitra ao anatin'ny fijaliana? Raha tsara Andriamanitra, nahoana no be ny faharatsiana? Manampy antsika amin'ny fahatakarana izany lohahevi-dehibe izany ilay fifanandrinana lehibe, saingy fanontaniana maro no mbola mipetraka. Kanefa, rehefa tsy afa-po amin'ny ezaka rehetra ataontsika mba hahazoana valiny isika, dia afaka mibanjina an'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana ka mahita ao Aminy fa azo itokiana Andriamanitra, na dia mikasika ireo fanontaniana rehetra tsy mbola voavaly hatramin'izao aza.

*Famerenana ny lesona ny sabata 15 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.
Sun 12 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Ny olan’ny fisaratsarahana ao am-piangonana.
Mon 13 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Mifantoka amin’i Jesôsy.
Tue 14 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fahendrena sy fahamatorana.
Wed 15 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fanompoana tahaka ny an’i Kristy.
Thu 16 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fomba fiaina maneho ny hazo fijaliana.
Fri 17 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fampidirana.
Sun 05 Jul 2026
Lesona 2 : NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Ny Filazantsara momba ny hazo fijaliana.
Mon 06 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fahadalana amin’izay ho very.
Tue 07 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Hery ho an’ireo izay hovonjena.
Wed 08 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Mesia voahombo.
Thu 09 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Kristy, hery sy fahendren’Andriamanitra.
Fri 10 Jul 2026
Lesona 2: NY TENY NY AMIN'NY HAZO FIJALIANA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Jul 2026
Lesona 3 : IRAY AO AMIN’NY KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal