Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: "ΙΝΟΝΑ ΜΟΑ NO MBOLA ΑΖΟ ΝΑΤΑΟ (...), KA TSY EFA NATAOKO (...)"— ny hiran’ny malalako.

Daty
Talata 11 March 2025

Nasehon'Andriamanitra tamin'ny fomba mahagaga tao anatin'ilay fifanandrinana lehibe ny fitiavany sy ny fahamarinany. Saingy mety mbola hisy hanontany hoe: Sao mbola misy zavatra hafa tokony ho nataon'Andriamanitra mba hanakanana sy/na hanafoanana ny faharatsiana? Hitantsika araka ny endrika isehoan'ilay fifanandrinana lehibe fa hajain'Andriamanitra ny safidy malalaka, izay ilaina mba hahatsara indrindra ny fifandraisam-pitiavany amin'ny olombelona. Ankoatra izany dia manaraka fepetra sy fitsipika ara-pitondran-tena Izy ao anatin'ilay fifanandrinana mahakasika ny toetrany; tsy misy afa-tsy ny fanaporofoana ny fitiavany no ahafahany mandresy amin'ny ady.

Vakio ny Isa. 5:1-4. Iza no miteny ao amin'ireo andininy ireo? Miresaka momba an'iza i Isaia? Iza avy no asehon'llay tanimboaloboka sy ilay tompon'ny tanimboaloboka? Inona no maha-zava-dehibe ny asa nataon'ny tompony tamin'ilay tanimboaloboka? Inona no vokany?

Mihira ho an'ny malalany, sy ny tanimboaloboka iray, i Isaia ao amin'ireo andininy ireo. Andriamanitra no tompon'ny tanimboaloboka, ary maneho ny vahoakan'Andriamanitra ny tanimboaloboka (jereo ohatra ny Isa. 1:8, Jer. 2:21). Kanefa azo itarina ho mahafaoka ny asan'Andriamanitra lehibe eto amin'izao tontolo izao ny voambara eto. Araka ny voalazan'io andinin-tSoratra Masina io dia efa nanao izay rehetra azony natao ny tompon'ny tanimboaloboka (Andriamanitra) mba hamokaran'ilay tany voaloboka tsara. Tokony ho namoa voaloboka tsara tokoa ilay tanimboaloboka, kanjo namoa "voalobo-dratsy" izy, na "tsy misy vidiny" amin'ny dikan-teny hafa. Ny teny hebreo nilazana izany tokoa mantsy dia azo adika ara-bakiteny hoe: "voankazo maimbo". Namokatra voaloboka simba sy lo ilay tanimboalobok'Andriamanitra.

Andriamanitra mihitsy no mandray fitenenana ao amin'ny Isa. 5:3, manasa ny olona "hitsara" Azy sy ny tanim-boalobony. Mametraka fanontaniana manan-danja lehibe Izy ao amin'ny Isa. 5:4: "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy? Koa raha nanantena azy hamoa voaloboka tsara Aho, nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?" Mahavariana tokoa fa manasa ny hafa mihitsy Andriamanitra mba hitsara izay nataony.

Rehefa mibanjina ny hazo fijaliana isika, izay nanoloran’Andriamanitra ny Tenany ho fanatitra noho ny fahotantsika rehetra, dia manjary misy heviny goavana ilay fanontaniana hoe: "Inona moa no mbola azo natao tamin'ny tanimboaloboko, ka tsy efa nataoko taminy?" - amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (27)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal