Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 14 June 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Dan. 2:31-45; Dan. 3:1-12,17,18; Apôk. 13:11-17; Rôm. 1:18-25; Asa. 12:1-17; Mat. 12:9-14.

Tsianjery:

"Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena." - 2 Tim. 1:7.

Hijery tantara roa hafa ao amin'ny Baiboly isika amin'ity herinandro ity, izay nanambara mialoha ireo tranga hiseho amin'ny andro farany, amin'ny tsipiriany manaitra.

Hodinihintsika voalohany ny tantaran'i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, izay maneho mazava ireo lohahevitra hita ao amin'ny Apôk. 13. Avy eo dia hijery ao amin'ny TV isika, izay ahitantsika fa mety hanampy koa ny fanandramana niainan'ireo Kristianina voalohany, hahafantarana izay miandry antsika eo anelanelan'ny ankehitriny sy ny fiverenan'i Kristy.

Misongadina ao amin'ireo ohatra roa ireo ny herim-po, ary atoro antsika ao ny fomba ahitana fiadanan-tsaina na dia ao anatin'ny fotoan-tsarotra indrindra aza.

"Aza matahotra," "Nahoana no taitra Hianareo?"; nanao teny toy izany ombieny ombieny i Jesôsy . Zava-dehibe ny mitadidy fa i Kristy no ivon'ny faminaniana, ary araka izany, tokony hahita teny mampahery toy izany isika manerana ny fanoritsoritana ireo toe-javatra hiseho eto an-tany amin'ny andro farany. "Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa," hoy i Jesosy tamin'ny mpianany (Jao. 14:1).

Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: marina fa ho sarotra sy mafy tokoa ny toe-javatra hitranga any am-parany ho an'ireo izay miezaka mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra. Kanefa raha ny marina, dia tokony ho amim-panantenana no ijerentsika ireny tranga ireny, fa tsy amin-tahotra.

*Famerenana ny lesona ny sabata 21 Juin.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal