MIANKOHOKA AMIN'NY SARY
Na dia nanaja an'i Daniela sy ny Andriamaniny aza i Nebokadnezara tamin'ny voalohany, satria gaga noho ny zavatra efa nataony (jereo ny Dan. 2:46-48), dia tsy naharitra izany.
Vakio ny Dan. 3:1-12. Natao volamena ilay sariolona ary nitaky ny hiankohofan'ny olona amin'izany ny mpanjaka; inona no mety ho hevitr'izany?
Nanamafy ny fitsipahany ny hafatr'Andriamanitra ny mpanjaka tamin'ny nananganany sariolona vita amin'ny volamena manontolo. Inona no tiany nampitaina? Tsy ho rava mihitsy i Babilona, ary i Nebokadnezara no ho mpanjaka mandrakizay. Ary hovonoina izay sahy hanohitra izany hevitra izany. Mampahatsiahy antsika amin'ny fomba mahery vaika izany tantara izany fa ny faniriantsika olombelona hiziriziry amin'ny hevitsika dia mety hanafina faingana amintsika ny fahamarinana momba ny tena fizotr'ilay fifanandrinana lehibe.
Mitovy amin'i Lôsifera i Nebokadnezara amin'ny lafiny sasany: fatra-paniry laza, miavonavona, ary be hambom-po ka sahy nikomy mivantana tamin'ny fahefan'Andriamanitra. Misy lafiny tsy mampitovy azy amin'i Losifera anefa: nino an'llay Andriamanitra marina ihany i Nebokadnezara nony farany, ary azo inoana fa hihaona aminy isika ao amin'ilay fanjakana izay notoheriny mafy tamin'ny voalohany.
Vakio ao amin'ny Dan. 3:17,18 ny tenin'ireo zatovolahy hebreo telo nanohitra ny mpanjaka. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny finoana sy ny zavatra mety hotakiny amintsika indraindray?
Eritrereto ny fomba azon'ireo lehilahy telo ireo nialana mora foana tamin'io toe-javatra mampidi-doza io. Tsy diso toerana ve ny hafanam-pony ka vonona ny hodorana velona mihitsy izy ireo toy izay hiankohoka fotsiny? Tsy azony natao ve ny mody niondrika namatotra ny kirarony, ohatra, sady nivavaka tamin'Andriamaniny ihany? Mendrika ny hiaretana izany tokoa ve ny toe-javatra natrehin'izy ireo? Mazava loatra fa eny (mendrika hiaretana ny mafy izany) ny valin'izany tao an-tsain'izy ireo, na dia hita teo amin'ny teny nolazainy aza fa mety hamoizany ny ainy izany.
Ahoana no hataontsika mba tsy hitadiavantsika vahaolana mora kanefa mety hampiala antsika amin'ny finoantsika? Inona no ambaran'ity andininy ity izay miresaka fakam-panahy sahala amin'izany: "Izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be"?