Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.

Daty
Alatsinainy 16 June 2025

MIANKOHOKA AMIN'NY SARY


Na dia nanaja an'i Daniela sy ny Andriamaniny aza i Nebokadnezara tamin'ny voalohany, satria gaga noho ny zavatra efa nataony (jereo ny Dan. 2:46-48), dia tsy naharitra izany.

Vakio ny Dan. 3:1-12. Natao volamena ilay sariolona ary nitaky ny hiankohofan'ny olona amin'izany ny mpanjaka; inona no mety ho hevitr'izany?

Nanamafy ny fitsipahany ny hafatr'Andriamanitra ny mpanjaka tamin'ny nananganany sariolona vita amin'ny volamena manontolo. Inona no tiany nampitaina? Tsy ho rava mihitsy i Babilona, ary i Nebokadnezara no ho mpanjaka mandrakizay. Ary hovonoina izay sahy hanohitra izany hevitra izany. Mampahatsiahy antsika amin'ny fomba mahery vaika izany tantara izany fa ny faniriantsika olombelona hiziriziry amin'ny hevitsika dia mety hanafina faingana amintsika ny fahamarinana momba ny tena fizotr'ilay fifanandrinana lehibe.

Mitovy amin'i Lôsifera i Nebokadnezara amin'ny lafiny sasany: fatra-paniry laza, miavonavona, ary be hambom-po ka sahy nikomy mivantana tamin'ny fahefan'Andriamanitra. Misy lafiny tsy mampitovy azy amin'i Losifera anefa: nino an'llay Andriamanitra marina ihany i Nebokadnezara nony farany, ary azo inoana fa hihaona aminy isika ao amin'ilay fanjakana izay notoheriny mafy tamin'ny voalohany.

Vakio ao amin'ny Dan. 3:17,18 ny tenin'ireo zatovolahy hebreo telo nanohitra ny mpanjaka. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny finoana sy ny zavatra mety hotakiny amintsika indraindray?

Eritrereto ny fomba azon'ireo lehilahy telo ireo nialana mora foana tamin'io toe-javatra mampidi-doza io. Tsy diso toerana ve ny hafanam-pony ka vonona ny hodorana velona mihitsy izy ireo toy izay hiankohoka fotsiny? Tsy azony natao ve ny mody niondrika namatotra ny kirarony, ohatra, sady nivavaka tamin'Andriamaniny ihany? Mendrika ny hiaretana izany tokoa ve ny toe-javatra natrehin'izy ireo? Mazava loatra fa eny (mendrika hiaretana ny mafy izany) ny valin'izany tao an-tsain'izy ireo, na dia hita teo amin'ny teny nolazainy aza fa mety hamoizany ny ainy izany.

Ahoana no hataontsika mba tsy hitadiavantsika vahaolana mora kanefa mety hampiala antsika amin'ny finoantsika? Inona no ambaran'ity andininy ity izay miresaka fakam-panahy sahala amin'izany: "Izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky koa amin'ny be; ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina koa amin'ny be"?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal