Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.

Daty
Alahady 15 June 2025

NY DANIELA TOKO FAHAROA SY NY TANTARA

Anisan'ny faminaniana manan-danja indrindra ao amin'ny Baiboly ny Dan. 2. Dimanjato taona mahery talohan'i Kristy no nanoratan'ilay mpaminany sy nanoritsoritany ny tantaran'izao tontolo izao, nanomboka tamin'ny androny tany Babilona, ary avy eo ny andron'i Media sy Persa, Grisia, Rôma, sy ny fizarazaran'i Rôma ho ireo firenena ao Eorôpa môderina, araka ny ahitana azy ankehitriny.

Izao no voalaza ao amin'ny Dan. 2:43 momba ireo firenena eoropeanina ireo: "ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga." Tanteraka tamin'ny fomba mahatalanjona io faminaniana io. Eny tokoa, na maro toy inona aza ny fifanambadiana teo amin'izy ireo (nanomboka tamin'ireo andriana ka hatramin'ireo olon-tsotra), dia mbola mizarazara ihany izy ireo.

Ohatra, ny fitondra-mpanjaka britanika dia antsoina hoe "The House of Windsor", anarana anglisy tsara. Kanefa napetraka vao tsy ela ihany io anarana io (tamin'ny taona 1917), raha ny marina. Talohan'io dia "Saxe-Coburg-Gotha" no anaran'ilay fianakaviana, anarana alemà mazava tsara, satria maro tamin'ny mpanjaka britanika - noho ny fifangaroany "amin'ny taranak'olombelona" - no havana akaikin'ny Alemà. Na izany aza, tsy ampy ireo fatoram-pihavanana ireo mba hisorohana ny ady, ka nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, mba hisarahany amin'ny fahavalony izay halany, dia novany ho "The House of Windsor" ny anarany.

Vakio ny Dan. 2:31-45. Inona ny nofin'i Nebokadnezara, ary ahoana no nanazavan'i Daniela azy?

Manaraka ny fototra napetraka ao amin'ny Dan. 2 ireo faminaniana momba ny andro farany ao amin'ny bokin'i Daniela. Izany hoe, ireo faminaniana rehetra ao amin'ny Daniela dia manaraka fifandimbiasana fanjakana maneran-tany, tahaka ny ao amin'ny Dan. 2, mandra-panorin'Andriamanitra ny fanjakany mandrakizay (jereo ny Dan. 2:44; Dan. 7:13,14). Toy izao raha lazaina amin'ny fomba hafa: mamakivaky ny tantara amin'ny alalan'ny fifandimbiasan'ireo fanjakana tsy tapaka ny faminaniana, nanomboka tamin'ny andro fahiny mandra-pahatonga any amin'ny hoavy, hatramin'izao androntsika izao. lo fomba fandinihana araka ny tantara io dia tena ilaina amin'ny fahatakarana ireo zavatra hitranga amin'ny andro farany, indrindra araka izay aseho ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy.

Ahoana no anehoan'ny Dan. 2 amintsika fa tsy vitan'ny mahafantatra tsara ny hoavy Andriamanitra, fa Izy mihitsy no mifehy izany raha ny marina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal