Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.

Daty
Alarobia 18 June 2025

NY FANENJEHANA NY FIANGONANA VOALOHANY

Tsy ny TT ihany no ahitana fanambarana mialoha ireo zavatra hitranga amin'ny andro farany fa ny TV koa. Tsy mora ny nanjo ireo Kristianina tamin'ny taonjato voalohany. Nankahalain'ny maro tamin'ireo mpiara-mivavaka aminy aloha izy ireo satria noheverina ho mandrahona ny finoan'i Mosesy. Niatrika ny fahatezeran'ny fanjakana rômanina mpanompo sampy koa izy ireo. "Niray hina ireo herin'ny tany sy ny helo mba hanohitra an'i Kristy ao amin'ny tenan'ireo mpanaraka Azy. Tazan'ny fivavahana jentilisa mialoha fa raha mandresy ny filazantsara, dia ho voarodana ny tempoliny sy ny alitarany; noho izany dia navondrony ny heriny mba handevonana ny finoana kristiana. Nirehitra ny afon'ny fanenjehana." - HM, t. 39-40.

Misy tantara ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly, izay mampiseho mazava ny mety hanjo ny vahoakan'Andriamanitra eo am-pirosoany ho amin'ireo toe-javatra voalaza ao amin'ny Apôk. 13.

Vakio ny Asa. 12:1-17. Inona ireo singa maneho mialoha izay hitranga amin'ny andro farany ao amin'io tantara io?

Notapahin-doha i Jakoba, ary nanakaiky koa ny anjararı'i Petera. Nomelohina ho faty ny Kristianina. Ny tena manaitra ao amin'ity tantara ity angamba dia ny torimason'i Petera, kanefa io no tokony ho alina mahatsiravina indrindra teo amin'ny fiainany - lalina tokoa ny torimasony, hany ka tsy maintsy nodonin'ilay anjely izy mba hifoha!

Nafahana tamin'ny fomba mahagaga tokoa i Petera ary nankany amin'ny toerana nivorian'ireo mpino. Saika tsy nino izy ireo fa afaka marina i Petera, na dia efa nivavaka ho amin'izany aza. Talanjona izy ireo, araka ny voalazan'ny Baiboly - mampieritreritra izany. Impiry moa isika no mivavaka kanefa avy eo tsy sahy mino akory fa hamaly ny vavatsika Andriamanitra?

Avotra ny ain'ny mpino sasany, fa ny sasany kosa maty. Toy izany koa no hitranga arakaraka ny mahantomotra ny farany. Na navotana aza i Petera tamin'io fotoana io, dia maty noho ny finoany ihany izy nony farany. Efa nambaran'i Jesosy aza ny fomba hahafatesany: "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy." - Jao. 21:18,19.

Mariho fa rehefa avy nilaza tamin'l Petera ny fomba hahafatesany i Jesosy dia mbola nilaza taminy ihany hoe: "Manaraha Ahy". Inona no ambaran'izany amintsika? Nahoana no tsy tokony hanakana antsika tsy hanaraka ny Tompo na dia ny fandrahonana ho faty aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal