Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.

Daty
Alarobia 18 June 2025

NY FANENJEHANA NY FIANGONANA VOALOHANY

Tsy ny TT ihany no ahitana fanambarana mialoha ireo zavatra hitranga amin'ny andro farany fa ny TV koa. Tsy mora ny nanjo ireo Kristianina tamin'ny taonjato voalohany. Nankahalain'ny maro tamin'ireo mpiara-mivavaka aminy aloha izy ireo satria noheverina ho mandrahona ny finoan'i Mosesy. Niatrika ny fahatezeran'ny fanjakana rômanina mpanompo sampy koa izy ireo. "Niray hina ireo herin'ny tany sy ny helo mba hanohitra an'i Kristy ao amin'ny tenan'ireo mpanaraka Azy. Tazan'ny fivavahana jentilisa mialoha fa raha mandresy ny filazantsara, dia ho voarodana ny tempoliny sy ny alitarany; noho izany dia navondrony ny heriny mba handevonana ny finoana kristiana. Nirehitra ny afon'ny fanenjehana." - HM, t. 39-40.

Misy tantara ao amin'ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly, izay mampiseho mazava ny mety hanjo ny vahoakan'Andriamanitra eo am-pirosoany ho amin'ireo toe-javatra voalaza ao amin'ny Apôk. 13.

Vakio ny Asa. 12:1-17. Inona ireo singa maneho mialoha izay hitranga amin'ny andro farany ao amin'io tantara io?

Notapahin-doha i Jakoba, ary nanakaiky koa ny anjararı'i Petera. Nomelohina ho faty ny Kristianina. Ny tena manaitra ao amin'ity tantara ity angamba dia ny torimason'i Petera, kanefa io no tokony ho alina mahatsiravina indrindra teo amin'ny fiainany - lalina tokoa ny torimasony, hany ka tsy maintsy nodonin'ilay anjely izy mba hifoha!

Nafahana tamin'ny fomba mahagaga tokoa i Petera ary nankany amin'ny toerana nivorian'ireo mpino. Saika tsy nino izy ireo fa afaka marina i Petera, na dia efa nivavaka ho amin'izany aza. Talanjona izy ireo, araka ny voalazan'ny Baiboly - mampieritreritra izany. Impiry moa isika no mivavaka kanefa avy eo tsy sahy mino akory fa hamaly ny vavatsika Andriamanitra?

Avotra ny ain'ny mpino sasany, fa ny sasany kosa maty. Toy izany koa no hitranga arakaraka ny mahantomotra ny farany. Na navotana aza i Petera tamin'io fotoana io, dia maty noho ny finoany ihany izy nony farany. Efa nambaran'i Jesosy aza ny fomba hahafatesany: "Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin'izay tianao; fa rehefa antitra kosa hianao, dia haninjitra ny tànanao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin'izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban'ny fahafatesana izay hankalazany an'Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy." - Jao. 21:18,19.

Mariho fa rehefa avy nilaza tamin'l Petera ny fomba hahafatesany i Jesosy dia mbola nilaza taminy ihany hoe: "Manaraha Ahy". Inona no ambaran'izany amintsika? Nahoana no tsy tokony hanakana antsika tsy hanaraka ny Tompo na dia ny fandrahonana ho faty aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal