Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy

Daty
Alatsinainy 15 December 2025

HOAVY MAMPANAHY

lo famaranana be voninahitra ao amin'ny Jos. 21:43-45 io dia manambara fahafenoan'ny fepetry ny fankatoavana. Tsy azo fotsiny amin'izao ny fahombiazana; mifamatotra mandrakariva amin'ny fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izany. Koa na marina aza fa noho ny fahatokian Andriamanitra tamin'ny Isiraely no nahazoany ny tany (Neh. 9:8). dia tsy voafetra ny mety ho fivoaran'ny toe-javatra amin'ny hoavy, arakaraka ny fitondran-tenan'ny Isiraely. Ho vitan'ny Isiraely ve ny hiaro izay efa azony?

Vakio ny Jos. 23:1-5. Inona avy ireo teboka ifantohan'ny fampidirana nataon'i Josoa?

Milaza ny amin'ny maha-zokiolona sy efa mandroso fahanterana azy i Josoa (nasongadina indroa) ao amin'ny lahateniny, ary ireo mpihaino azy izay tsy maintsy hanohy ny asa nanirahan'Andriamanitra azy no iresahany. Hazavainy ny fomba nahazoan'izy ireo ny tany: Jehôvah no niady ho azy ireo. Na voatery nirotsaka an'ady aza ny Isiraelita taorian'ny nialany tao Egypta satria tsy nahatoky sy tsy nanam-pinoana dia tsy noho ny tanjany ara-tafika no nahazoany ny tany, fa noho ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra.

Nomen'Andriamanitra fitsaharana tamin'ny fahavalony ny Isiraely, saingy mbola misy firenena sasany tsy maintsy horoahina. Tsy zavatra efa vita ka zava-misy tsy azo ovana intsony tsy akory ny fandresena ho an'ny Isiraely, fa miankina mandrakariva amin'ny fianteherany tsy tapaka amin'ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fanampiany efa vonona.

Inona no mampitovy ny fomba nahazoan'ny Isiraelita ny tany Kanana teo ambany fitarihan'i Josoa sy ny fomba ahafahan'ny Kristianina ankehitriny manana fiainana ara-panahy feno fandresena? Vakio ny Jos. 23:10; Kol. 2:15; 2 Kor. 10:3-5; Efes. 6:11-18.

Tsy azo lazaina ho avy amin'ny tanjaka sy ny paikadin'ny Isiraelita ny fandreseny. Toy izany koa ny fandresena ny fahotana sy ny fakam-panahy; ny sorona nataon'i Jesôsy sy ny fitsanganany tamin'ny maty no efa nahazoantsika izany, saingy tsy maintsy miantehitra tsy tapaka amin'ny fanampian'ny Fanahy Masina ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny, mba hananany fiainana feno fandresena.

Raha maro toy izany ireo teny fikasana omena antsika, nahoana no mbola toa mora foana amintsika ny manota?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal