Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Daty
Talata 16 September 2025

"MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO"

Taorian'ilay fihemorana tamin'ny nanaovan'ny Isiraelita ombilahy kely volamena, dia nanao fanelanelanana ho an'ny vahoakan' Andriamanitra i Mosesy ary naniry ny hahazo antoka fa mbola hanohy hitarika azy ireo hatrany amin'ilay Tany Nampanantenaina Andriamanitra. Niriny fatratra tao am-pony koa ny hahalala bebe kokoa an'Andriamanitra.

Vakio ny Eks. 33:18-23. Ahoana ny fomba namalian' Andriamanitra ny fangatahan'i Mosesy ny mba hahita ny Voninahiny?

"Mba ampahitao ny voninahitrao aho" hoy ny fangatahan'i Mosesy tamin'i Jehôvah . Tamin'ny Famindrampony no nanehoan'i Jehôvah ny Voninahiny taminy Rehefa namaly ny fangatahan'i Mosesy anefa Andriamanitra, dia nampanantena ny hampiseho aminy ny "fahatsarany". Azo atao ny maka tsoa-kevitra avy amin izany fa ny voninahitr'Andriamanitra dia ny Fahatsarany, izany hoe ny Toetrany (jereo koa ny VM, L. 510 (ed. 1988); ny HF, tt. 363, 364 (ed. 1984); ny MM, tt. 260, 261 (ed. 1986)).

"Voninahitr’Andriamanitra ny manome hery ny zanany, satria ininy ny hahatraran'ireo ny tanjona ambony indrindra eo amin'ny fiainana ara-panahy." -VM, t. 466 (ed. 1988). Voninahitra ho Azy ny handray ny mpanota mibebaka (jereo ny MM, t. 545 (ed. 1986) sy hanome izay rehetra ilaina mba hanova azy ireo. "Voninahitra" ho antsika koa ny haneho ny Toetrany eo amin'ny fiainantsika sy hampahafantatra izany amin'ny hafa.

Tsy maintsy aseho eo amin'ny asantsika izany fanehoana taratra ny toetran Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny halemem-panahiny sy ny fitiavany mamy Izany. Amin'izany no hahatonga antsika ho fitahiana ho an'izao tontolo izao no sady fahazavana mamirapiratra ho an'izao rehetra izao izay manara-maso antsika. Araka izay nambaran'i Paoly hoe: "Fa ataoko fa nasehon’Andriamanitra ho faraidina izahay Apôstôly , dia toy izay voaheloka hovonoina; fa izahay dia natao ho fizȧhan'izao rehetra izao, na anjely na olona." - 1 Kôr. 4:9. Izany fomba fijery mahafaoka an'izao rehetra izao izany no manome heviny sy tanjona ho an'ny fiainantsika, hevitra sy tanjona izay tsy hain'ny fisainantsika hotakarina akory.

Hoy i Paoly ao amin'ny Rôm. 2:4: "(...) ny fahamoram-panahin'Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka." Izany hoe, ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny toetrany no mandresy lahatra ny olona ny amin'ny fahotan'izy ireo sy ny filany famonjena. Aseho antsika ny fanambarana lehibe indrindra momba ny Fahatsarany sy ny Toetrany rehefa mijery ny hazo fijallana isika ary mahalala Ilay nihantona teo (ny Tompo) sy ny antony nahatonga Azy teo satria tiany isika ary izany no hany fomba ahafahana mamonjy antsika.

Manao ahoana ny habetsahan'ny fotoana atokanao hifantohana amin'ny hazo fijaliana sy izay ambaran'izany aminao momba ny toetran'Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal