Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Mba hahalalako Anao.

Daty
Alatsinainy 15 September 2025

MBA HAHALALAKO ANAO

Vakio ny Eks. 33:12-17. Inona no nangatahin'i Mosesy mba hampianarin’Andriamanitra azy? Nahoana izy no nangataka ny fanatrehan'Andriamanitra mba hitarika azy ireo?

Nitohy fa tsy tapatapakany fitomboan'i Mosesytaoamin'Andriamanitra. Nihananakaiky ny Tompo hatrany hatrany izy ary naniry fatratra ny hanahaka an'Andriamanitra. Indray andro, raha niresaka tamin'i Jehôvah tao amin'ny trano-lay fihaonana i Mosesy, dia tsapany tampoka fa tsy mahalala an'Andriamanitra izy ka nanoriona vavaka manokana: "ampahafantaro ny làlanao hahalalako Anao" - Eks. 33:13. Tsapany ny filany fatratra hahatakatra ny momba an'Andriamanitra amin'ny ambaratonga vaovao. Hitany fa arakaraka ny nahalalany an'i Jehôvah no nampanjavozavo ny fahatakarany ny momba Azy. Tsapany sy nekeny ny zavatra nilainy ary niriny tamin'ny fony manontolo ny hahalala an'Andriamanitra bebe kokoa. Neken'Andriamanitra ny hamaly ny faniriany.

Raha jerentsika ny fanandraman'i Mosesy hatreto, dia hitantsika fa nanana fifandraisana lalina kokoa sy ety tamin'Andriamanitra izy, ary nitombo tokoa teo amin'ny lafiny ara-panahy.

Voalohany, dia niakatra ny tendrombohitra izy ary "niakatra ho ao amin'Andriamanitra" -Eks. 19:3. Rehefa izay, dia niakatra "teo an-tampon'ny tendrombohitra" izy (Eks. 19:20) ary nanatona ny rahona, dia "ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra." - Eks. 20:21.

Tamin'ny fotoana hafa indray, dia "niditra tao afovoan'ny rahona," izay nisy an'Andriamanitra, i Mosesy, ary nijanona niaraka tamin'i Jehôvah 40 andro sy 40 alina (Eks. 24:18). Nomen'Andriamanitra fanomezan-tsarobidy roa izy nandritra ireo 40 andro ireo: (1) ny Didy folo izay ny rantsan-tanan'Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy teo ambonin'ny vato fisaka roa (Eks. 24:12), ary (2) ny toromarika momba ny fanorenana ny tabernakely sy ny fanaka ao aminy (jereo ny Eks. 25-31).

Nisy 40 andro sy alina hafa indray niarahany tamin'Andriamanitra taorian’izany, izay nanaovany fanelanelanana ho an'ireo mpanota (Eks. 32:30-32; Deo. 9:18).

Na dia taorian'izany rehetra izany aza, dia nirin'i Mosesy ny hahalala ny toetran'Andriamanitra amin'ny fomba mazava kokoa, ary tsy ela dia nomen'Andriamanitra fanehoana manokana izy mba hahatakarany ny Toetrany. Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny momba an'Andriamanitra no nirin'i Mosesy fa fahalalana Azy araka ny fanandramana iainana mihitsy.

Tsy mahagaga raha nilaza izao teny izao | Jesôsy , taonjato maro taty aoriana: "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Jao. 17:3. Mba hampahafantaran Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, inona moa ny fomba tsara kokoa noho ny fahatongavany ho Olona mihitsy?

Mahalala an'Andriamanitra ve ianao, sa mahafanta-javatra momba Azy fotsiny ihany? Inona ny fahasamihafana lehibe eo amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal