Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 12 : MBA AMPAHITAO NY VONINAHITRAO AHO - Ny fanambaran’Andriamanitra momba ny tenany.

Daty
Alarobia 17 September 2025

NY FANAMBARAN'ANDRIAMANITRA MOMBA NY TENANY

Vakio ny Eks. 34:1-28. Ahoana no nanehoan'i Jehôvah ny voninahiny tamin'i Mosesy?

Nasain'i Jehovah nitondra vato fisaka roa tahaka ilay teo aloha Izay novakivakiny Mosesy (Eks. 32:19). Hihaona amin'Andriamanitra ao an-tendrombohitra Sinay izy; fanimpitony izao. Voalaza ao amin'ireto andininy manaraka ireto ny fiakarany tany an-tendrombohitra teo aloha: (1) Eks. 19:3,7, (2) Eks. 19:8,14; (3) Eks. 19:20,25; (4) Eks. 20:21 sy Eks. 24:3; (5) Eks. 24:9, 12-18; Eks. 32:15; (6) Eks. 32:30,31. Vao maraina no nanombohan'i Mosesy niakatra ny tendrombohitra.

Efa vonona ny handray ny fanehoana be voninahitra ny toetran'Andriamanitra izao i Mosesy. Ao amin'ny fanambarana mahatalanjona ataon'Andriamanitra momba ny Tenany no anazavana amin'ny fomba tsara indrindra ny hakanton'ny toetrany. Izany no fanoritsoritana manan-danja indrindra momba ny toetran Andriamanitra, izay kofehy volamena mampitohy ny Baiboly iray manontolo (Nom. 14:18; Neh. 9:17; Sal. 103:8; Joe. 2:13; Jôna 4:2). Ny fanambarana momba an Andriamanitra eto no Jao. 3:16an'ny Testamenta Taloha. Any amin'ny boky hafa ao amin'ny Baiboly, dia mampihatra sy mamerina na koa manazava izany fanambaran'ilay Andriamanitra velona momba ny Tenany izany ny mpanoratra mba hahatakarana araka ny tokony ho izy ny toetran'Andriamanitra.

Rehefa nandray ny fanazavana manokana sy tsy nisy toa azy tany aloha momba ny anaran'Andriamanitra i Mosesy, dia niankohoka sady nidera an'i Jehôvah . Voasintona hankeo amin'Andriamanitra koa isika rehefa mahazo topy maso momba ny fitiavany sy ny fahasoavany, ny indrafony, ny fangorahany, ny fahatsarany, ny fahatokiany, ny famelany heloka, ny fahamasinany ary ny fahamarinany. Rehefa mahita sy mibanjina ny toetrany miavaka sy maha-te ho tia isika dia manomboka tia Azy, fitiavana izay mitarika antsika haniry ny hanompo sy hankato Azy. Satria tia antsika Izy, dia tia Azy koa isika (1 Jao. 4:19).

Ao amin'izany fanambaran Andriamanitra momba ny Tenany izany, dia manome toky an'i Mosesy Izy fa hanao asa mahagaga ho an'ny vahoakany ary hitarika azy ireo hiditra ny Tany Nampanantenaina. Nohavaoziny ny fanekena nataony tamin'izy ireo, ary nampanantena Izy fa hahita ny fiandrianany sy ny asa mahagaga ataony ireo firenena hafa. "Indro, manao fanekena Aho, ka eо anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehôvah , fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao." - Eks. 34:10.

Nilain'ny Isiraelita anefa ny nankatò an'Andriamanitra sy nanaraka fitsipika folo mazava mba hiantoka ny fahombiazan'izy ireo. Rehefa izay, dia nasain'Andriamanitra nosoratan' Mosesy ny fanambarana tao anatin'izany fanekena efa nodikaina izany (Eks. 34:27,28).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal