Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Daty
Zoma 20 March 2026

Ny ankohonana dia tokony hahatsapa ny andraikitra "Ny tsirairay avy ao anatin'ny ananany ka hanao izay tandrify azy mba hisian'ny fiadanana sy ny filaminana ary ny firindrana ao an-tokantrano. Tsy misy tokony hiasa hanohitra ny hafa. Ny rehetra no tokony hiara-miezaka mba hifanohana sy hifandrisika; aoka izy ireo haneho fahalemem-panahy sy faharetana, tsy hampiaka-peo fa ho tony ka hanalavitra ny fikorontanana; ary ny tsirairay no tokony hanao izay tratrany mba hanamaivanana ny enta-mavesatra entin'ny renim-pianakaviana. (...)

Tokony ho takatry ny tsirairay avy ao anatin'ny ankohonana ny anjara andraikitra tokony hataony miaraka aminny hafa. Ny rehetra, manomboka amin'ny zaza enin-taona no ho miakatra, dia tokony hahatakatra fa takina aminy ny hanao ny anjara raharaha sy ny andraikitra tandrify azy." - AH, tt. 179, 180.

"Tsy maintsy avelantsika hiditra ao am-pontsika sy ao an-tokantranontsika i Kristy raha tiantsika ny handeha amin'ny mazava. Tokony ho toerana azo antoka sy mampahazo aina ary mitondra ffaliana ny tokantrano. Aoka izany ho sombin-danitra ety an-tany, dia toerana iray hanolokoloana ny fitiavana fa tsy hangejana azy. Miankina amin'ny fanolokoloantsika ny fitiavana sy ny firaisam-po ary ny fifanajana ny fahasambalantsika. (...) Tokony hanadino ny "izaho" isika ka hijery mandrakariva ny fotoasa fanararaotra, na dia kely monja aza, hahafahana maneho fankasitrahana amin'ny hafa noho izay efa nataony ho antsika. Tokony hijery fotoana handrisihana ny hafa sy hanamaivanana ny alahelony isika amin'ny alalan' mitory fitiavana. Ireny fanehoam-pitiavana volatry ny fo ireny, izay miantomboka nin'ny alalan'ny asa mitory fahalemem-panahy sy fihetsika kely ao amin' amin'ny ankohonantsika ary miitatra any ivelan'ny tokantrano, no miara-miasa mba hanorina fiainana sambatra; ny finaovana tsirambina ireny zava-madinidinika ireny kosa no mahatonga ny fiainana ho feno fangidiana sy alahelo." -TFC, b. 3, tt. 539, 540.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Ho an'ny mpivady, inona no fitsipika nanampy anareo eo amin'ny fifandraisana? Inona no torohevitra omenareo ireo tsy mbola manambady, ary ahoana no tokony híonanan'izy ireo ho amin'ireo fihaikana miseho mandrakariva ao anatiriny fanambadiana?

2. Matetika, maro ny ray aman-dreny izay tia sy nikarakara ny zanany ary nitaiza azy ireo tao anatin'ny tokantrano kristianina tsara no tsy maintsy miatrika ny fandavan'ny zanany ny finoana rehefa tonga amin'ny fahalehibeazana ireny zanaka irerv. Inona no torohevitra na fampaherezana azonao omena azy ireny? Inona no tsara kokoa raha tsy lazaina mihitsy?

3. Ifanakalozy hevitra bebe kokoa ny amin'ny fananarana mba "handeha amin'ny fahendrena." Mifanohitra amin'izany, inona no hevitry ny hoe "mandeha amin'ny fahadalana"? Inona no lesona notsoahinao avy amin'ireo fotoana samy hafa izay mety andehananao tamin'ny fahendrena na tamin'ny fahadalana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal