Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.

Daty
Alakamisy 17 September 2026

Nampahafantatra ny fiangonana momba ny famangiany azy ireo fanintelony i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 12:14-13:10 (2 Kor. 12:14; 2 Kor. 13:1). Nasehony tamin'izany fa tsy latsaka noho ireo mpampianatra sandoka izy ary vonona ny ho any Korinto indray mba hamerina ireo mambra tsy mbola nibebaka. Raha ny marina dia izany mihitsy no anisan'ny antony namangiany azy ireo. Izay rehetra nataon'i Paoly sy nolazainy dia nokendreny mba hampiorenana ny fiangonana (2 Kor. 12:19).

Vakio ny 2 Kor. 12:20, 21. Inona ireo fahotana nampidi-doza ny flainana ara. panahin'ny flangonana tany Korinto?

Ireo fahotana voatanisa ao amin'ny 2 Kor. 12:20, 21 dia mitovy amin'ireo voatanisa any amin'ny epistily hafa nosoratan'i Paoly (Rôm. 1:29-31; Gal. 5:19-21). Ireo roa voalohany dia hita ao amin'ny 1 Kor. 3:3 izay iresahan'i Paoly momba ny fialonana sy ny fifandirana teo amin'ireo mambran'ny fiangonana tany Korinto. Natahotra izy fandrao hisy fiovana be ho amin'ny ratsy ho hitany amin'ny fotoana fahatelo hamangiany azy ireo. Hoy izy: "Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako"- 2 Kor. 12:20. Midika izany fa tsy mananatra azy ireo amin'ny "famoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy izy (2 Kor. 10:1) fa "vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra"- 2 Kor. 10:6.

Nanahy mafy izy andrao tsy hibebaka ireo mambra izay latsaka tamin'ny "fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana" (2 Kor. 12:21). Ny fahotana toy izany anefa no nitarika fisarahana teo amin'ny fiangonana.

Manaraka izany, dia nifantoka tamin'ny anjara asan'ny famaizan'ny fiangonana i Paoly mba hanarina ireo tafalatsaka ao amin'ny fahotana (2 Kor. 13:1-4). Tsy fialan-tsiny ho an'ny fomba fiaina feno fahotana ny fahalemena, satria misy hery azo omena ireo izay maniry hanana fiainam-pandresena (2 Kor. 13:4). Ny fahotana momba ny fijangajangana nataon'ny sasany tamin'ireo tany Korinto dia porofo maneho fa tsy zava-misy teo amin'ny fiainan'izy ireo ny herin'Andriamanitra. Naniry ny hibebahan'izy ireo i Paoly ary koa ny hananany fanandramana mikasika ny hery izay mitaona hibebaka. Ny hanafay azy ireo no zavatra farany indrindra niriny hatao. Hoy izy: "mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy hianareo (...) fa ny mba hanaovanareo izay tsara (...) ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo."- 2 Kor. 13:7-9. Endrey izany vavaka! Mangataka azy ireo izy mba handini-tena hahitany raha toa mitoetra ao amin'ny finoana ny tenany na tsia.

Vakio ny 2 Kor. 13:5. Inona ny hevitry ny hoe mitoetra ao amin'ny finoana? Ahoana no hahalalanao raha toa lanao mitoetra ao amin'ny finoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal