Nampahafantatra ny fiangonana momba ny famangiany azy ireo fanintelony i Paoly ao amin'ny 2 Kor. 12:14-13:10 (2 Kor. 12:14; 2 Kor. 13:1). Nasehony tamin'izany fa tsy latsaka noho ireo mpampianatra sandoka izy ary vonona ny ho any Korinto indray mba hamerina ireo mambra tsy mbola nibebaka. Raha ny marina dia izany mihitsy no anisan'ny antony namangiany azy ireo. Izay rehetra nataon'i Paoly sy nolazainy dia nokendreny mba hampiorenana ny fiangonana (2 Kor. 12:19).
Vakio ny 2 Kor. 12:20, 21. Inona ireo fahotana nampidi-doza ny flainana ara. panahin'ny flangonana tany Korinto?
Ireo fahotana voatanisa ao amin'ny 2 Kor. 12:20, 21 dia mitovy amin'ireo voatanisa any amin'ny epistily hafa nosoratan'i Paoly (Rôm. 1:29-31; Gal. 5:19-21). Ireo roa voalohany dia hita ao amin'ny 1 Kor. 3:3 izay iresahan'i Paoly momba ny fialonana sy ny fifandirana teo amin'ireo mambran'ny fiangonana tany Korinto. Natahotra izy fandrao hisy fiovana be ho amin'ny ratsy ho hitany amin'ny fotoana fahatelo hamangiany azy ireo. Hoy izy: "Fa matahotra aho, fandrao, rehefa tonga aho, dia hahita anareo ho toy izay tsy tiako"- 2 Kor. 12:20. Midika izany fa tsy mananatra azy ireo amin'ny "famoram-panahy sy ny fandeferan'i Kristy izy (2 Kor. 10:1) fa "vonona hamaly ny tsi-fanarahana rehetra"- 2 Kor. 10:6.
Nanahy mafy izy andrao tsy hibebaka ireo mambra izay latsaka tamin'ny "fahalotoana sy ny fijangajangana ary ny fijejojejoana" (2 Kor. 12:21). Ny fahotana toy izany anefa no nitarika fisarahana teo amin'ny fiangonana.
Manaraka izany, dia nifantoka tamin'ny anjara asan'ny famaizan'ny fiangonana i Paoly mba hanarina ireo tafalatsaka ao amin'ny fahotana (2 Kor. 13:1-4). Tsy fialan-tsiny ho an'ny fomba fiaina feno fahotana ny fahalemena, satria misy hery azo omena ireo izay maniry hanana fiainam-pandresena (2 Kor. 13:4). Ny fahotana momba ny fijangajangana nataon'ny sasany tamin'ireo tany Korinto dia porofo maneho fa tsy zava-misy teo amin'ny fiainan'izy ireo ny herin'Andriamanitra. Naniry ny hibebahan'izy ireo i Paoly ary koa ny hananany fanandramana mikasika ny hery izay mitaona hibebaka. Ny hanafay azy ireo no zavatra farany indrindra niriny hatao. Hoy izy: "mangataka amin'Andriamanitra izahay mba tsy hanao izay ratsy hianareo (...) fa ny mba hanaovanareo izay tsara (...) ary izao no angatahinay, dia ny fanatanterahana anareo."- 2 Kor. 13:7-9. Endrey izany vavaka! Mangataka azy ireo izy mba handini-tena hahitany raha toa mitoetra ao amin'ny finoana ny tenany na tsia.
Vakio ny 2 Kor. 13:5. Inona ny hevitry ny hoe mitoetra ao amin'ny finoana? Ahoana no hahalalanao raha toa lanao mitoetra ao amin'ny finoana?