Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.

Daty
Alatsinainy 23 March 2026

Eto amin'izao tontolo anjakan'ny aterineto sy ny tambajotra sosialy ary ny fitaovana maro samihafa izao, dia sarotra ny mahazo an-tsaina ny fahasahiranana natrehin'i Paoly tamin'ny fiezahana hanampy ny fiangonana mba hahatsapa fa manana anjara amin'ny zavatra lehibe lavitra noho ny fiangonany eo an-toerana izy ireo.

Vakio ny Kol. 4:10,11. Ankoatra ny fandefasana sy fandraisana vaovao amin'ny alalan'ny iraka (Kol. 4:7-9), inona avy ireo fomba hafa nampiasain'i Paoly mba hanamafisana ny fifandraisana?

Raha jerena ny sasany amin'ireo olana izay noresahin'i Paoly ao amin'io epistily io, inona no hafatra mety ho nampitaina tamin'ny alalan'ireo fanaovam-beloma ireo?

Manorina sy manamafy ny fifandraisana eo amin'ny samy mpino i Paoly amin'ny alalan'ireo fanaovam-beloma ireo. Hitantsika eto fa havan'i Barnabasy i Marka. Koa mampiomana i Paoly ta ho avy hamangy any Kolosia koa i Marka. «Mpiara-mifatotra amiko» no ilazan'ı Paoly an'i Aristarko; izany hoe, gadra niaraka tamin'i Paoly izy. Samy miaramila mitafy «ny fiadian'Andriamanitra» izy roa lahy (Efes. 6:10,11), miady mba hanafahana ireo gadran'i Satana ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fanjakan Andriamanitra (jereo ny 2 Tim. 2:1-4). I Jesôsy/Josto koa (anarana jiosy sy romanina izay saika mitovy fanononana amin'ny teny grika, toy ny  Saoly/Paoly) dia nambarany tamin'izy ireo ho mpiara-miasa azo itokiana amin'ny fampandrosoana ny filazantsara.

Nomarihin'i Paoly fa i Aristarko, i Marka, ary i Josto dia mpino jiosy («avy amin'ny voafora»). Avy eo manonona anarana Jentilisa telo izy: i Epafra, i Lioka, ary i Demasy (Kol. 4:12-14). Zava-dehibe ny hoe: na somary nisy fifandirana aza teo amin'ny Jiosy sy ny Jentilisa tao am-piangonana, dia afaka niara-niasa tsara tamim-pahombiazara tamim-pahombiazara izy ireo, tao anatin'ny firaisan-tsaina sy ny firindrana. Nefa amin'ny filazan Paoly hoe «ireo ihany», dia toa manambara fahadisoam-panantenana izy fa ny ankamaroan'ny Kristianina jiosy dia tsy mba nanohana azy tamin'ny fahoriany. Na izany aza, zava-dehibe tamin'io fotoana io ny nisehoan'i Jaona Marka, izay nandao an'i Paoly sy i Barnabasy taona vitsivitsy teo aloha, naneritra ny dia misionera voalohany nataon'izy ireo (Asa. 13:13), İzay tsy vitan'nyhoe mahatoky fa tonga "fampiononana"ho an'i Paoly koa (Asa. 15:36-40).

Misy mikendry handrava mandrakariva ny firaisana, ary tsy zava-baovao izany. Vao tsy ela izay, tao alatin'ny taona vitsivitsy, dia nisy fiovana lehibe ny Fiangonana Advantista satrianiely patrana manerana izao tontolo izao, ary nisy hery namely ny firaisana nisy teo aminy. Tsapa eo amin'ny ambaratonga rehetra ao am-piangonana ny fahasirotana eo amin'ny fampiraisana.

Ahoana no ahafahana, ao amin'ny fiangonana misy anao, miasa mba hampihena ireo zavatra nandrahona ny handrava ny firaisantsika? Inona avy ireo olana eo an-toerana, ary inona no azo atao hamahana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal