Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.

Daty
Talata 24 March 2026

Boky maro no voasoratra momba ny fiainana misy tanjona sy ny fiangonana misy tanjona. Na tsy ny tanjona loatra aza no mitarika eo amin'ny fiainana, dia tena ilaina kosa ny mifantoka amin'ny tanjona mazava mba hahatanterahana ny asa manan-danja rehetra. Hita teo amin'ny fiainan'i Paoly sy ny asany izany, ary koa teo amin'ny mpiara-miasa aminy sy ny apostoly hafa (jereo ny Fil. 3:13,14). Ny vokatra dia miresaka ho azy-niparitaka haingana eran'ny Fanjakana Romanina sy tany ankoatra izany ny filazantsara (Kol. 1:23). Ilaina izany fifantohana izany ankehitriny.

Vakio ny Kol. 4:12,13. Inona no tanjona voalaza eto, ary ahoana no tokony hanatrarana izany?

Araka ny voalaza ao amin'ny lesona teo aloha, dia inoana fa nanana anjara lehibe tamin'ny fampielezana ny filazantsara tany Kolosia sy tany amin ireo tanana manodidina toa an'i Laodikia sy Hierapolia i Epafra (jereo ny lesona 1). Ny fampamangiana sy ny vavaka nataony ho an'ireo fiangonana ireo dia tsy isalasalana fa tena nampahery ny mpino tao. Nifantoka tamin'ny tanjona mazava ny vavak'i Epaframba «hitoeran' tsara amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra» - Kōl. 4:12. Andeha hitoeran'ny Kolosiana marina, ka hatoky hodinihintsika akaiky kokoa ny votoatin'io vavaka io.

Hitoetra. Midika hoe mijoro mafy sy tsy mihetsika io teny io, izay tsy azo atao raha tsy mafy orina sady tafatoetra» amin'ny finoana sy ny fitokiana amin'ny fahamarinan'ny filazantsara (Kol. 1:23). lo teny io ihany no ampiasain'i Paoly imbetsaka rehefa miresaka momba ny ady atao amin'ny "fanangolen'ny devoly izy" (Efes. 6:11) sy ny fanoherana ny herin'ny maizina amin'ny herin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitafiana «ny fiadian'Andriamanitra rehetra» (Efes. 6:10-18: ampitahao amin'ny 2 Tim. 2:19).

Marina. lo teny io dia manondro fahatanterahan-toetra izay miseho amin'ny endriny faratampony amin'ny alalan'ny fitiavana izay manao sorona ny ainy (Mat. 5:44,48), avy amin'ireo izay tsy hilaza ny tenany mihitsy fa «efa tanteraka» (Fil. 3:12-15).

Hatoky tsara. Izao no hevitr'io teny manan-danja io: manome fahafaham-po tanteraka, na manaozavatra amin'ny nyfahafenoany. fahafenoany. Nampiasaina io teny io nilazana momba an'i Abrahama izay natoky indrindra» fa izay nolazain'Andriamanitra dia hainy hatao tokoa, na dia tsy hain'ny olombelona aza izany (Rom. 4:21), sy tamin'ny nampaherezan'ny Tompo an'i Paoly fa «hotanterahina tokoa amin'ny ataony ny fitorian-teny» (2 Tim. 4:17).

Amin'izay rehetra mety ho sitrapon'Andriamanitra. Mahafaoka be ny teny hoe «rehetra». Nivavaka i Paoly mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapon Andriamanitra ny Kolosianina, «mba handehanany miendrika ny Tompo hanaovana ny sitrapony amin'ny zavatra rehetra» - Kol. 1:9,10 «araka ny herin'ny voninahiny» - Kol. 1:11.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal