Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 20 September 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 35:1-36:7; Gen. 1:1; Eks. 36:8-39:31; Heb. 7:25; Eks. 40:1-38; Jao 1:14.

Tsianjery:

"Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehôvah nameno ny tabernakely. (...) Fa ny rahon'i Jehôvah dia teo ambonin'ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason'ny taranak'Isiraely rehetra, tamin'ny nandehanany rehetra." -Eks. 40:34,38.

Ny andraikitra fototry ny vahoakan’Andriamanitra tao amin'ny TT (tahaka ny antsika ankehitriny) dia ny miaina ao anatin'ny fifandraisana ety amin’Andriamanitra; ny miankohoka Aminy sy ny manompo Azy; ary koa. ny maneho marina ny endrik’Andriamanitra amin'ny hafa (Deo. 4:5-8).

Niafina an'Andriamanitra i Adama sy i Eva tao amin'ny Saha Edena, noho ny tahotra vokatry ny fahotan'izy ireo. Voajanahary amin'ny olombelona ny mihorohoro eo anatrehan'Andriamanitra rehefa manota, ary io tahotra io dia manova ny fomba fijerintsika ny toetrany. Ny vaovao mahafaly dia ity: Andriamanitra no manao ny dingana voalohany ho famitranam-pihavanana: noraisiny ny andraikitra hanarenana ilay fifandraisana rava. Manasa ny mpanota hiverina Aminy Izy; "Aiza moa ianao?" hoy ny antsony (Gen. 3:9).

Araka Izany, ny iraka voalohany natao hotanterahintsika dia ny maneho amin'ny manodidina antsika ny toetran'Andriamanitra sy ny asam-pitiavany ary ny fahamarinany, araka ny tokony ho izy. Rehefa voataona ho eo amin'Andriamanitra ny olona, ary resy lahatra ny amin'ny fitiavany azy tsy misy fitiavan-tena, dia hanolotra ny fiainany ho Azy izy ireo ary hankatò ny baikony rehetra, satria fantany fa mahasoa izany.

Voaporofon'ny fitoerana masina fa akaiky ny olombelona tokoa Andriamanitra, ary amin'ny alalany no nanambarana tamintsika ireo fahama-rinana lehibe indrindra, dia ny fomba amonjen’Andriamanitra izay manatona Azy amin'ny finoana.

*Famerenana ny lesona ny sabata 27 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal