Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Nonina niaraka tamin’ny olombelona i Jesôsy.

Daty
Alakamisy 25 September 2025

NONINA NIARAKA TAMIN'NY OLOMBELONA I JESÔSY 

Vakio ny Jao. 1:14. Ampitahaina amin'ny tabernakely ny fahatongavan'l Kristy ho nofo; amin'ny fomba ahoana?

Zava-miafina ny fahatongavan'l Jesosy ho nofo, ary siansa manokana izay hianaran'ny voavotra mandritra ny mandrakizay izany. Ambaran'ny apostoly Jaona fa nonina niaraka tamintsika tam tamin'ny fomba azo tsapain-tanana Andriamanitra, rehefa tonga olombelona i Kristy. I Jesosy tao amin'ny nofo dia mitovy amin'llay Andriamanitra ao amin'ny TT, izay nonina niaraka tamin'ny Isiraelita tao amin'ny tabernakely tao Sinay sy tany an'efitra, nandritra ny dian'izy ireo ho any amin'ny Tany Nampanantenaina.

Nonina niaraka tamin'ny olombelona i Jesôsy fony Izy tonga nofo. Fietrena tsy takatry ny saina velively izany! Nidina teto amintsika Ilay Andriamanitra mandrakizay, tonga iray amintsika, mba hanome toky antsika fa "Imanoela" tokoa Izy; izany hoe: "amintsika Andriamanitra".

"Na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho," hoy i Jesosy ao amin'ny Mat. 18:20. Miaraka amin'ny vahoakany i Kristy amin'ny alalan'ny fanatrehan'ny Fanahy Masina. Manasa ny mpanara-dia Azy i Kristy mba hifandray ety Aminy: "Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko." - Apôk. 3:20.

Vakio ny Apok. 21:1-3. Inona no aseho antsika eto?

Hidina avy any an-danitra ho eto an-tany i Jerosalema Vaovao, ary hoy i Jaona: "Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny." - Apôk. 21:3. Tsy misy tempoly ao Jerosalema Vaovao (Apôk. 21:22) satria ny tanana manontolo no tempoly, dia fitoerana masin'Andriamanitra. Mitovy ny halavan'ny tanàna sy ny sakany ary ny haavony (Apôk. 21:16) tahaka ny refin'ilay Efitra Masina Indrindra tao amin'ny fitoerana masina teto an-tany, izay nanana endrika goba, mitovy ny lafiny rehetra. Hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandritra ny mandrakizay isika, ao anatin'ny tontolo tsy misy ota, na fahafatesana na fijaliana.

Rehefa dinihina izay nampanantenaina antsika ao amin'i Jesôsy , ahoana no tsy haharetantsika hatramin'ny farany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal