Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 13 : NY TABERNAKELY - Voaorina ny tabernakely.

Daty
Talata 23 September 2025

VOAORINA NY TABERNAKELY

Vakio ankapobeny ny Eks. 36:8-39:31. Nahoana, araka ny hevitrao, no nisy toromarika nomena an-Isipiriany toy izany? Inona no ambaran'Izany amintsika momba ny lanja omen' Andriamanitra ny tsipirian-javatra tsirairay?

Tamim-pitandremana no nanamboaran'i Mosesy ny tabernakely, ary narahiny tamim-pikaliana fatratra ireo toromarika nomena azy teny an-tendrombohitra Sinay. Mitanisa ireto manaraka ireto ny Soratra Masina: 

(1) ny tabernakely sy ireo lamba miaraka aminy, ny efitra lamba sy ny fizarany (Eks. 36:8-38); 

(2) ny fiaran'ny fanekena (Eks. 37:1-9);   
(3) ny latabatra ho an'ny mofo aseho (Eks. 37:10-16);    
(4) ny fanaovan-jiro (Eks. 37:17-24);   
(5) ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra (Eks. 37:25-29);   
(6) ny alitara ho an'ny fanatitra odorana (Eks. 38:1-7);     
(7) ny tavy fisasana (Eks. 38:8); (8) ny kianja (Eks. 38:9-20); ary (9) ny akora nampiasaina ho an'ny tabernakely (Eks. 38:21-31). Tohizan'ny Eks. 39 amin'ny fanoritsoritana ny efoda, ny saron-tratra ary ireo ampahany hafa amin'ny akanjon'ny mpisorona izany.

Lesona velona momba ny filazantsara ny fanompoana natao tao amin'ny tabernakely. izay naneho ny drafi-panavotan'Andriamanitra manontolo. Ireo fombafomba isan-karazany dia naneho (1) ny fankahalan'Andriamanitra ny fahotana sy ny fiatrehany izany. (2) ny fomba amonjeny ny olona mibebaka, (3) ny anjaran'ny ratsy fanahy, ary (4) ny toky omen’Andriamanitra ny amin'ny hoavy be voninahitra, izay tsy hisy faharatsiana intsony.

Nisy fanompoana roa samihafa, nefa mifandray akaiky, natao tao amin'ny fitoerana masina nandritra ny taona: ny isan'andro sy ny isan-taona. Naneho ny fomba fiatrehan Andriamanitra ny olan'ny fahotana sy ny fomba famonjeny ny mpanota io fanompoana misy fizarany roa io. Tamin'ny alalan'ny fanompoana isan'andro tao amin'ny fitoerana masina, no nanomezan'Andriamanitra toky ireo nibebaka fa namela ny fahotany Izy ary nanolotra azy ireo ny famonjena noho ny fahasoavany. Tsy maintsy nisy sorona natao mba handraisana io fanomezan'ny famonjena io, ary nanondro ny fahafatesan'ny Mesia ireo fanatitra ireo, izay voalaza fa ny rany no "manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra-1 Jao. 1:7. Ny fiaikena ny fahotana sy ny fandraisana ny akanjom-pahamarinan'l Kristy no ivon'io fanatitra io (Sal. 32:1,2). Tamin'izany fomba izany no nanomezan-toky ny mpanota nibebaka fa voavela ny helony, ary afaka mifaly amin'ny famonjena izy.

Ny fanompoana isan-taona, natao tamin'ny Andro Fanavotana, dia naneho ny fomba hamongoran Andriamanitra ny fahotana, hamahany ny olan'ny fahotana, ary naneho fa azo antoka ny hoavy tsy misy fahotana intsony (Lev. 16, Jao. 1:29). Ankehitriny, ny fanompoana roa sosona ataon'i Kristy ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra dia fanehoana anankiray koa ny asan'Andriamanitra ho antsika (Heb. 7:25), ary izany по hamaha tanteraka ny olan'ny faharatsiana (Dan. 7:13,14,22,27; Dan. 8:14; Apôk . 21:4).

Toerana niankohofana tamin'Andriamanitra ny fitoerana masina, toerana niderana sy nisaorana Azy. Fikolokoloana sy fihazonana ny fifandraisana amin'Andriamanitra ny atao hoe fiankohofana, izay anasan'Andriamanitra ny mpino hiditra amin'ny fisakaizana Aminy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal